mankasitraka ny fanonganam-panjakana kanefa dia miteny mihitsy hoe: aiza ny zon’ny olona haneho hevitra? Hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy nandritra ny fanozongozonana ny Fanjakana Rajaonarimampianina tamin’ny fotoan’androny. Hajao io, hoy izy, ka nilazany fa: ny adihevitra dia mitsangana ireo mpikarama an’ady politika dia milaza fa avelao ny fitondrana e! efa vizana ny olona e! avelao ny fitondrana ny olona e! Aza asiana fidinana an-dalambe fa avelao ny olona hiasa e! Andraikitry ny fitondram-panjakana, jereo amin’ny fomba tsy miangatra, ny “mouvance Ravalomanana” raha nampidirina tao Ambohijatovo tsy nisy mangazay nikatona, hoy ity Minisitra napetrak’I Andry Rajoelina ity tamin’izany. Ny febroary 2017, dia nilaza I Lalatiana Rakotondrazafy fa tena miharihary ny risika hisian’ny fipoahana ara-tsosialy, ary azo tsapain-tànana. Ny fiakaran’ny saran-dàlana 500Ar, ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ny vary ary efa 2000Ar ny kilao eny an-tsena, dia fanampin’izay tsy mitady vahaolana ny Fanjakana amin’ny delestazy, fahatapan-drano, tsy fandriampahalemana,… Mametra-panontaniana fotsiny isika hoe: ohatrinona ny saran-dàlana izao? Tamin’ny fitondran’iza no niakatra 1500Ar sy 1800Ar ny vidin-tsolika raha 200Ar raha be indrindra ny teo aloha? Ny vidim-bary amin’izao ambanin’ny 2000Ar sa avo roa henin’izany latsaka kely? Tamin’izany vanim-potoana izany no nilazan-dRtoa Lalatiana Rakotondrafy fa tsy mieritreritra ny Fanjakana, ny tantara efa nampianatra antsika hoe: avelao ny olona hanana fahafahana maneho hevitra, io tsy misy hoe: matahotra korontana ny vahoaka Malagasy, fa sasana atidoha ny vahoaka amin’ny resaka sao dia hanongam-panjakana. Tsia! Mihetsika ny olona, any Etazonia misy an’izany, fa tsy misy hoe: miongana I Donald Trump. Omeo fahalalahana ny olona, ny kianjan’ny demokrasia efa natao teo tamin’ny 2018, aleo ny mpitandro filaminana hitandro ny filaminana fotsiny,… Aleo ny olona haneho hevitra! Hoy izy tamin’izany izay nilaza fa zo fototra na “droit absolu” ny fidinana an-dalambe. Izao anefa famoriam-bahoaka anaty efitrano sy toerana mifefy aza nosakanana teny amin’ny Yandy By Pass ny 24 aogositra, ny tetsy amin’ny ISTS Mandrimena ny 05 septambra, ny tetsy amin’ny Palais des sports Mahamasina 29 septambra, ary io hivadika etsy amin’ny Kianjan’ny 13 may io rehefa nokantsanana ireo dingana rehetra araka ny lalàna eo anatrehan’ny fitakiana maro samihafa momba ny fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana. Adino ve fa ny filazana azy ho nanao jadona sy manitsakitsaka ny demokrasia no isan’ny nanonganana an’Atoa Marc Ravalomanana ny taona 2009? Tsy tadidy ve fa fanoherana ny kajikajy ara-pifidianana no nampirefotra ny 2018 ka naharava ny governemanta napetraky ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina izay novetavetaina tanteraka na voafidim-bahoaka aza? Tsy resaka fivoizana valifaty politika, ary tsy izany toe-tsaina sy làlan-tsaina mamohehitra izany no tiana horesahana eto, fa fampahatsiahivana ny ririnin-dasa tsy tsaroana, ary matoa tonga amin’izao indray ny pejin’ny tantara, dia tsy tongatonga ho azy fa mila fandinihan-tena, saingy misy moa vondron’olona tsy hanaiky ho diso izany na inona na inona fahotana nataony tamin’ny tantaram-pirenena. Rehefa izy ireo no misioka dia voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondolo sy mpamosavy?
Toky R
Krizy ary an-dalàm-piovana somary an-terisetra mankany amin’ny antsoina hoe «multipolaire»
Miitatra ny fifanolanana ao anatin’ny vovonana Firaisankina teo anatrehan’ny tsy fitovian-kevitra tamin’ny fifampitoriana teny amin’ny
Eto Madagasikara indray ny iraky ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) tarihin’ny Lehiben’ny
Tokony ho ny alatsinainy 30 septambra teo no nivoaka ny lisitr’ireo kandida manerana
Miharihary ankehitriny fa tsy politika ihany na koa hoe ny lafiny politika ihany no