Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana mpividy entana tonta iray dia mahatratra 10 isan’andro izany raha kely indrindra amin’izao fiandohan’ny volana izao. Handoavana hofan-tranon’olona, saram-pianaran’ny mpianatra,… izany vola vidin’entana izany izay marihina fa manomboka amin’ny sotro ka hatramin’ny fandriana hatoriana. Tena sahirana ny Malagasy hoy hatrany ity Renim-pianakaviana mpividy entana ity. Ho amin’ny andavanandro indray dia ireo mivarotra entana mba hividianana sakafo no tena betsaka. Misy mihitsy ireo mahavatra manadio ny vilany ao an-tokantranony dia mivarotra izany….mba hividianana sakafo sitrany ahay. 200 Ar monja anefa amin’izao no hividianan’ireny mpividy entana ireny ny sotro iray. 2000 Ar ny lovia bakoly iray raha misy mahasahy mividy 5000 Ar ny vilany iray kelikely dia tahaka izany hatrany. Nambaran’izy ireo mantsy fa mbola vola miodina ihany koa ny azy. Ny entana tonta rahateo hoy izy dia misy tonga dia mividy eo noho eo fa tsy maintsy mbola miandry.
Pati
Legende : Mivarotra entana ny ankamaroan’ireo fianakaviana, indrindra amin’izao fiandohan’ny volana izao
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,