airtel

Politique

02-janv-2023

Politique

Fahatokisan’ny iraisam-pirenena Tsara toerana sy tsy mitsanga-menatra tokoa ve ?

Sample post image

Misongadina, tsy mintsanga-menatra, tsara toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maro ireo fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena, vondrona iraisam-pirenena,…

02-janv-2023

Nihaona tamin’ny Filoha Amerikanina Joe Biden, Filoha Frantsay Emmanuel Macron, Filoha Tonizianina, Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana Antonio Guterres, talen’ny Talen’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, Lehiben’ny Banky Iraisam-pireenena David, Filohan’ny FMI ho an’ny fampandrosoana sy ny fambolena na FIDA, Talen’n PAM, Talen’ny ONUDI,…”, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao anatin’ny gabariny, raha nanao tombana sy nitatitra ny ambarany fa fahombiazana ara-diplaomasian’ny Fitondrana tarihiny. Noho izany, hoy izy, rehetra izany dia afaka manambara fa tsara ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, mipetraka ny fitokisan’ny mpamatsy vola. Nambarany fa ny antony dia manana vina maty paika. Inona tamin’ireo vina sy programa niova isan-taona ary betsaka no toa nitsefotra? IEM, Plan Marshall, PEM,…? Sahiny ny nilaza fa efa nitondra vokatra azo refesina sy tsapain-tànana ny mpitondra. Miova ny fomba fiasa satria ny tetikasan’ny Fanjakana Malagasy no vatsiany vola raha tsy toy izany no niseho hatrizay, hoy izy. Vita ve Tanamasoandro izay tetikasa goavana isan’ny nireharehana? Hatao eny Imeristiatosika araka ny nampanantenaina ve ny lalaon’ny Nosy? Firy metatra no vita tamin’ilay “Autoroute” Andohatapenaka-Imerintsiatosika? Nitsangana ve ny orinasa Gasycar efa hatrany amin’ny faran’ny taona 2020 no niresahana azy? Vita ve ny “flyover” efa nanaovana makety tokony hapetraka etsy Anosizato sy Andohatapenaka? Vita ve ny “Pole Urbain” tao Fianarantsoa? Firy metatra no vita tamin’ilay “voie rapide” 10km ao Toamasina nametrahana vato fototra hatramin’ny aprily 2019? Naverina indray fa voahosotra ho tompondakan’ny fampiroboroboana ny indostria ny Filoha. Miverina ho firenena afaka hisitraka ny MCC (Millenium Challenge Corporation) rehefa tsy nisitraka izany tao anatin’ny taona maro. Nolazaina fa nisy ny ezaka teo amin’ny “bonne gouvernance” na Fanjakana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly, fahafahan’ny haino aman-jery maneho hevitra satria tsy nisy nikatona tao anatin’izay,… Tena izao endri-javatra miseho izao ve no antsoina hoe: tsara toerana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary mipetraka ny fitokisana? Tena voafehy ve ny famaritana sy ny fahombiazan’ny diplaomasia?
Toky R

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap