airtel

Politique

18-août-2023

Politique

Falson Jocelyn Rantenaina “Diso mahatoky loatra ny Filoha”

Sample post image

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

18-août-2023

Teo ny sampona na “scandale” mikasika ny zom-pirenen’ny filoham-pirenena, hoy izy. Niampy ity rahahara Romy Voos ity indray. Voizin’ny mpanohitra loatra io raharaha farany io na dia mbola tsy fantatra aza ny tena marina ao ambadik’izy io, hoy izy. Ny 8 septambra raha ny fantatra no fotoam-pitsarana azy. “Ho an’ny mpanaradia ny fitondrana indray satria efa nesorina amin’ny toerany moa izany ilay olona manoloana ilay olana tsy nihatra taminy irery fa tamin’ny firenena iray manontolo dia te hanome hafatra ihany aho hoe tsy tsara loatra ny manenji-dresy. Samia miandry sy mihaino am-pitoniana ny valim-pitsarana ahafahantsika mitsara azy. Diso mitsara olona ivelany loatra ny ankamaroan’ny gasy. Marina fa nanao izy, raha ny angom-baovao voaray, fa na izany na tsy izany tsy ampy loatra hiampangana azy ho meloka izany”, hoy I Falson Jocelyn Rantenaina. Etsy ankilany betsaka no mivoy hoe tokony asiana tetezamita. Tsy tokony miditra amin’izany izao fitondrana izao, hoy izy. Napetraka tamin’ny fomba madio sy mangarahara tamin’ny alalan’ny safidim-bahoaka izy ny taona 2018, ka tokony hamindra fahefana koa izany izy raha tsy lany amin’ny 2024. Tsy misy antony na sakana kely akory tsy andehanan’ny fifidianana satria efa nanao fanambarana ny CENI. Tahotra fifidianana ny filazana hoe tokony asiana tetezamita. Inona moa no ilàna fifampiresahana? Angaha misy mikorontana eto? Hizarana seza toy ny tamin’ny 2018 ve hoe an-dRakoto ny praiminisitra dia an-dRanona ny minisitra atsy sy atsy? Tsy fotoan’izany intsony izao satria 1 volana sisa raha ela indrindra dia hametra-pialana ny filohan’ny repoblika. Tsy mitombina ny hoe tsy afa-miala amin’ny raharaha Romy Voos ny filoham-pirenena satria tsy izy no naniraka azy ho any. Ny manodidina ny filoha no manao ny ataony dia izy foana no voatonotonona. Diso matoky olona loatra ny filoham-pirenena ka tsy izy no manao ny fifantenana sy fahendrena fa ilay akaiky azy. Firenena no resahana fa tsy finamanana sy fihaviana. Sarotra be ny mandinika ny politika eto Madagasikara. Esory amin’izay ilay hoe: ny fitiavana no lehibe indrindra, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap