airtel

Politique

27-sept-2023

Famoriam-bahoaka am-pilaminana

Mihorohoro ny mpitondra, hosakanana ireo kandida…

Sample post image

72 ora mialohan’ny fotoana voafaritra fa hanaovan’ireo Vondron’ny kandida filoham-pirenena miisa 11 izay mikasa

27-sept-2023

hanao famoriam-bahoaka etsy amin’ny Palais des sports Mahamasina no mivoaka ny fanakanana ankolaka, izay heverina fa vokatry ny baiko midina. Namoaka taratasy milaza ny eo anivon’ny TAFITA izay mitantana ny fotodrafitrasa tamin’ny alalan’ny Talen’ny Tafita Atoa Régis Rakotondrazaka fa “tsy marina velively ny filazana fa hisy fivoriana hataon’ireo kandida 11 ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny 29 septambra”. Nambara fa efa misy ireo fandaharam-potoana mazava tsara mifanaraka amin’ireo fangatahana nahazo alalana hampiasa ny toerana ary manana ny taratasy fahazoan-dàlana, ka tsy anisan’ny voarakitra ao anatin’ny fandaharam-potoana io fihaonana tarihin’ireo kandida io. Andaniny anefa, "malalaka ny Palais des Sports amin'ny zoma 29 septambra 2023, hoy ny tompon'andraikitra ara-barotra rehefa nifampidinika tamiko izay nisolotena ireo kandida omaly. Taorian'ny fahitàna fa malalaka io daty io, no nametrahana ny fangatahana.", hoy ny Kandida Andry Raobelina tao amin'ny pejin-tseraserany omaly 26 septambra, izay namoaka sary sy porofo tamin’ny fihaonany tamin’ny tompon’andraikitra. Tampoka teo dia hoe: lasa misy hetsika tampoka, izay toa taratry ny fanakanana amin’ny fomba rehetra ny tsy hisian’ny fihaonana. Ny Prefektiora mbola tsy namaly fa hoe: rahampitso alakamisy no valiny, dia efa misy ny endrika fitsivalanana ankolaka. “Tsy hitako izay mahasamihafa an’io fa ho hita eo fotsiny ny antontan-taratasy hoe: ara-dalàna sa tsia. Misy ny fahazoan-dàlana hampiasa ny toerana na “autorisation d’occuper”, dia miankina amin’iny ny hanomezana fahazoan-dàlana hanao ny hetsika. Miankina amin’ny fivorian’ny OMC rahampitso alahady. Efa voapetraka ny fangatahana, mazava ho azy fa voahaja ilay 48ora alohan’ny hanaovana fihetsiketsehana. Ny fanapahan-kevitra dia efa lazaina foana fa iraisana, iarahana amin’ny OMC, ka mbola hivory, ary miankina amin’izay ny handinihana ny antontan-taratasy sy ny valiny. Tsy misy fe-potoana voalazan’ny lalàna, fa azo valiana foana, fa azo tsy valiana ihany, ary afaka foanana amin’ny ora farany raha misy ny loharanom-baovao azo antoka fa hisy fanakorontanana. Indrainday tsy eo anivon’ny OMC irery no maheno an’io loharanom-baovao io fa ny rafitra ambony, dia tonga dia azo foanana avy hatrany na ora iray mialoha aza, rehefa misy ahiahy goavana”, hoy ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Angelo Ravelonarivo.

TSY VAO SAMBANY
Tsy vao sambany rahateo no nisy tahaka izao, fa efa nosakanana ny fihaonana teny amin’ny Yandy By Pass ny aogositra, namoahana miaramila ihany koa nanakana ny teny amin’ny ISTS Mandrimena ny 5 septambra,… Ireo kandida izay mbola nanamafy omaly fa tsy mpanakorontana, fa mitady fitoniana. Andaniny, ny 06 septambra dia afaka nampiasa tsara ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina I Andry Rajoelina izay mbola filoha tamin’izany, saingy nirarakopana ny kabary politika, nalalaka ny TGV teny amin’ny CCI Ivato, nitohy tamin’ny UPAR, ary mbola fananam-panjakana sady toerana tsy mifefy sy tsy mitafo ny Kianjan’ny Oniversiten’Antananarivo kanefa dia hanao hetsika ao ny Depiote TGV Lanto Rakotomanga ny saika hatao ny sabotsy izao izay hahemotra amin’ny 14 oktobra. Hosakanana ary ve sa havela malalaka? Momba ny toe-draharaha politika sy fifidianana, ny famoriam-bahoaka anaty efitrano ho an’ny mpanohitra voasakana, ny dingana araka ny lalàna amin’ny alalan’ny fitoriana eny amin’ny HCC tratry ny tsipaka am-bavafo satria ialokalofana ny didy tsy azo ivalozana,… Taperina eo amin’io tsy azo ivalozana io ny dingana, ny demokrasia anaty efitrano sakanana, ka asa hoe: hatosika ho eny an’arabe ve ny mpanohitra?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap