airtel

Politique

05-sept-2023

Famoriam-bahoaka anaty efitrano

Voasakana indray ny fihaonan’ny mpanohitra

Sample post image

Nosakanana indray fihaonana sy fanambarana, saika hataon’ireo avy amin’ny ankolafin-kery mpanohitra, nahitana ireo kandida Filoham-pirenena,

05-sept-2023

depiote, mpanao politika,… saika hatao tetsy amin’ny ISTS Mandrimena Andoharanofotsy omaly 04 septambra. Tohin’ny fihaonana saika hatao tetsy amin’ny Yandy By Pass ny 24 aogositra sy ny fanambarana niraisan’ireo kandida ho Filoham-pirenena miisa 8 ny 29 aogositra lasa teo io. “Nangataka ny hahafahana mivory malalaka ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, izay nanamarika fa ny antokon’ny Fitondrana teny Ivato misy olona an’arivony hatramin’ny mpiasam-panjakana, ka samy maneho hevitra amin’ny maha olom-pirenena. Nanamarika ity farany, fa tsy olona hikorontana, ary tia filaminana, ka ny ao anatiny no azo antoka fa tsy hisy ny fikorontanana ary azo fehezina amin’izany izy ireo, ka nanamarihany fa olona maneho hevitra, te hivory mba hialana eny amin’ny hoe: eny an-dalambe. Nilaza kosa ireo mpitandro filaminana, fa mila fahazoan-dàlana na “autorisation”, nolazaina fa misy mpianatra. Samy nangataka ny hiditra hijery izany sy hifampiresaka ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko, saingy tsy navela. Ity farany izay nampiaka-peo hoe: misy lalàna ve ao milaza hoe: tsy azo atao ny mivory ao anatin’ny trano. Nampiakaram-peo noho izany ireo mpanara-dia, ka nilaza fa efa filàna ady izao satria ny naoty navoakan’ny Minisitry ny atitany, hoy izy ireo, dia manome alalana mazava amin’ny fahafahana manao fihaonana anaty efitrano. Tsy nanaiky anefa mpitandro filaminana, izay rehefa nanontanian’ny depiote sady kandida Masy Goulamaly hoe: misy antony manokana ve izany ny fanakanana ataonareo, ka nilazan’ny ankilany, fa tsy misy antony manokana, fa tsy nahazoana alalana. Vao mainka niakatra ny feo sy fampahatsiahivana, fa tsy eny ankalamanjana fa anaty efitrano, ary matoa miditra ao dia nahazo alalana amin’ny tompony. “Ny eny Ivato tsy sakananareo, olona zato am-berivo no mandeha makany, ny mpiasam-panjakana hatramin’ny fiara takelaka mena hoentina any”, hoy hatrany ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.
NIAFARA TENY AN’ARABE
Nantsoin’ny depiote Fidèle Razara Piera tamin’ny finday ny Prefen’Antananarivo, saingy tsy nandray finday hatramin’ny farany. Tetsy an-kilany, nikisaka teny an’arabe ireo vahoaka vokatry ny tsy fahafahana niditra tao amin’ny toerana efa nifanaovana fotoana. Nikisaka nifandinika ireo kandida ho Filoham-pirenena, ka teny an’arabe ihany koa no niverina nitafa tamin’ny mpanao gazety. Tapaka nandritra ny 30 minitra teo ho eo noho izany ny làlana. Nisolo tena azy ireo hatrany ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, ka nanamafy fa hivory milamina tao anaty efitrano no anton-diany, haneho hevitra tahaka ny olom-pirenena rehetra. Matoa izahay tonga, dia nahazo alalana hanao, ary fantatry ny rehetra izany, hoy hatrany io Filoha teo aloha io. Notsihipihiny hatrany ny fahafahan’ny Antokon’ny fitondrana nivory malalaka teny Ivato, ka tsy tokony hisy ny mizana tsindrian’ila fa tokony hampiharina amin’ny rehetra ny lalàna. Betsaka no te hiteny, tsy ny kandida ihany misy depiote, mpanao politika, vahoaka,… ary misy olona ao an-damosinay ireo fa mpitondra teny ihany izahay, hoy ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.
Toky R


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap