airtel

Politique

05-mai-2022

Politique

Famoriam-bahoaka ao Antsiranana Norarana ny TIM, malalaka ny TGV

Sample post image

Mivoaka ny serasera amin’ny hanaovan’ny Antoko TGV hetsika goavana any Antsiranana ny sabotsy 07 mey ho avy izao, izay eo ambany fitarihan’ny Depiote Jocelyne Maxime Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena.

05-mai-2022

Hetsika niantsoana artista, hisiana diabe, arahina famonoan’omby hatrany amin’ny 25 isa,... Fanamarihana ny taom-baovao 2022 moa ny làlan-tsaina hoentina amin’io. Roa herinandro lasa anefa izay, nisy ny hetsika fameloma-maso nataon’ny Antoko Antoko TIM tany Antsiranana, tamina toerana an’olon-tsotra sy mihidy, dia ny Magro sy Tiko, saingy nosakantsakanana. Hatramin’ny hetsika fanadiovana aza notemerin’ny mpitandro filaminana tsy lavitra ny toerana nanaovana izany. Hatramin’ireo mpitarika aza nahazo fampanantsoana avy amin’ny mpitandro filaminana. Ity iray an’ny volomboasary ity kosa malalaka, ary afaka manao izay reviny. Asa hoe: politika inona no ahafaha-manasokajy izany? Izay eo amin’ny fitondrana tokoa no mametraka ny fitsipi-dalao araka izay tiany sy maha diavolana ny sainy? Asa re hanao ahoana hanao ahoana ny ho fihodin’ity politika ity aoriana ao fa dia samy miandry izay ho fivoarany, samy dia samia ho ela velona mba ahafaha-manaraka ity raharaham-pirenena ity.
Toky R
t
 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap