airtel

Politique

20-mars-2023

Politique

Famoriam-bahoaka teny Itaosy Nanomboka namaky barazy ny TIM

Sample post image

Tahaka ny mahazatra, nosakanana indray ny hetsiky ny TIM ny sabotsy lasa teo teny Beravina Itaosy. Rakotra mpitandro filaminana ny toerana nifanaovan’ireo mpitarika sy ny vahoaka fotoana.

20-mars-2023

Somary nahery vaika anefa ny zava-nisy omaly satria tsy nanaiky lembenana ireo depiote TIM sy ny mpanotrona. Raha ny hita hatramin’izay, manaiky ny TIM, ary mirava ny hetsika, saingy ny sabotsy teo, raikitra ny fanosehana ny mpitandro filaminana. Nandeha mantsy ny fifampiresahana notarihin’ny depioten’Atsimondrano Alain Ratsimbazafy sy ny mpitarika ny TIM andaniny, ary ny mpitandro filaminana ankilany, ka nilaza ireto farany fa tsy nahazo alalana ny TIM fa nolavin’ny Prefektiora. Nampahatsiahy ny Depiote TIM fa depiote tahaka azy no nitarika olona teny Andoharanofotsy-Mahabo-Mandrimena-Andoharanofotsy tsy nisy taratasy, notapahana ny làlana ka ara-dalàna ve ka nihetsika ve ny mpitandro filaminana? Tsy te hahalala izany anefa ireo mpitandro ny filaminana. Nigadona teny an-toerana i Marc Ravalomanana, saingy efa nosakanana ny vavahady.
TSY NANAIKY
Tsy nanaiky anefa ireo depiote sy ny vahoaka, ka raikitra ny fanosehana sy famakiana barazy. Vokany, tafiditra tao amin’ny toerana nifanaovana fotoana ihany I Marc Ravalomanana. Nakaton’ny mpitandro filaminana indray anefa ny vavahady vao tafiditra ny Filoha teo aloha. Nivoaka nifampiresaka tamin’ny mpitandro filaminana ireo depiote mba hampidirana ireo vahoaka saingy nandà ireo mpitandro filaminana. Raikitra indray noho izany ny fanosehana mba hahavaky ny sakana, ka nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso. Lehilahy iray no tsy nahatsiaro tsena sy nivoaka farora-bava rehefa tsy nahazaka izany. “Fahatahorana, ary izy no mety hanao ao anaty pataloha, mila “couche” ny fitondrana, nibotsimbotsina be ny Filoham-pirenena nanao teny tsy voahevitra, fa rehefa tena dinihina izy ireo kanosa”, hoy ny Depiote TIM Fetra Ralambozafimbololona. Nilaza kosa I Marc Ravalomanana fa tsy hihemotra fa tena hanao azy, ary naneho mihitsy izy fa mitovy tsy misy valaka ny tamin’ny 2002 io zava-miseho io saingy tsy misy maharesy vahoaka. “Mitovitovy tsy misy valaka ny tamin’ny 2002 fa ny daty no samihafa,… mahafantatra tsara ny paiakady rehetra ary ianareo aza taitra fa matoa aho miteny dia tena hanao aho izay. Tena tsy fampiseho masoandro, izao fihetsika izao ve no hanomanana fifidianana, tsy manao na inona na inona izahay dia atao tahaka izao. Io tahaka ny vovon’alika ka tsy hery fa tahotra”, hoy I Marc Ravalomanana, izay nanentana ny olona hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap