Jeneraly Ravelonarivo Christian sy ny avy amin’ny mpitandro filaminana omaly, fa nih²atra nanomboka tamin’ny 12 ora alina lasa teo ny fahanginana ara-pifidianana. Nambara fa tsy azo atao ny manao fihetsiketsehana fa fahanginana tanteraka. Nambara fa voarara ny fihetsiketsehana manerana an’Antananarivo. Efa misy « arrêté » navoakan’ny Prefektiora amin’ny Prefen’ny faritra azy milaza fa tsy azo atao ny mivarotra zava-pisotro misy alikaola, raha ny fanazavana. Nisy ny fampitandremana ny vahoaka mba tsy ho roboka anatin’ny ambara fa korontana, nolazaina fa tapitra ny fihetsiketsehana manodidina ny fifidianana. Ho hentitra ny fitandroana filaminana, ary vonona hiditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana eo anatrehan’ny toe-javatra mifanohitra amin’izany, raha ny ambangovangon’io fanambarana io.
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny