airtel

Politique

25-nov-2024

Fampandrosoana an’Antananarivo

« Omena sehatra ireo manam-pahaizana malagasy »

Sample post image

Manamafy ny kandida Tahina Razafinjoelina fa ny Malagasy no tena afaka mampandroso an’i Madagasikara,

25-nov-2024

ka tena mila omena ny toerany sy hasiny ireo manam-pahaizana nandanian’ny Firenena volabe. Làlan-tsaina entiny amin’ny fitantanana an’Antananarivo io, ka anisan’ny noresahany ny sabotsy teo, ohatra, ny fitantanana ny rano izay very fotsiny, kanefa isika mijaly rano. Nambarany fa tena ilaina ny « prototypage » amin'ny resaka fitantanana ny rano. Mila miara miasa amin'ny manam-pahaizana Malagasy. Ny resaka fako ohatra efa miara miasa amin'ny manam-pahaizana Pr Henri Rasolonjanahary .Misy ny afaka avadika pavé, zezika,... Omeny Maimaimpoana izany, tena tsy misy mpiraharaha ny manam-pahaizana Malagasy ka raha tsy miraharaha ny Fanjakana Foibe dia andao hatombotsika aty amin'ny tanàna, hoy i Tahina Razafinjoelina. Mila ampiasaina ireo manam-pahaizana izay nandanian'ny Fanjakana Malagasy vola be, fa ny zava-misy amin'izao tsy nisy filoham-pirenena manitsaka eny, hoy ny fanamafisany. Vazaha no entina. Ny vary safiotra na Riz hybride ohatra tsy nakana ny hevitry ny manam-pahaizana Malagasy kanefa tena mamotika ny tany. Tonga dia any anaty LFI hoe handaniana 500 na 600 miliara Ar eo. Aiza ohatra ny mpanohitra amin'izany? Isan’ny noresahany ihany koa ny resaka fandaminana ny fifamoivoizana, ka nilazany fa ny jiro 3 loko izay nasehony eritreretina ampiasaina eto Iarivo, ohatra, dia niarahana tamin'ny mpianatra injeniera, ny manam-pahaizana Malagasy . « Isika mieritreritra hoe aiza ny vola ? Manam-pahaizana eto Madagasikara no alaina. 15 tapitrisa Ar no nanaovanay ny 10 niaraka tamin'ireo mpianatra, kanefa 40 no ilaina. Efa niomana fa tsy mitsapatsapa. Ilaina io ary manampy ny mpitandro filaminana », hoy izy. Isan’ny nanontaniana ireo kandida nandritra ny adihevitra ny sabotsy teo moa ny resaka làlana sy fifamoivoizana. Ny tena olana be dia ny lalana Simba. Efa nianaranay nandritra ny 6 volana, nanao « devis » sy nidina ifotony izahay, 60 000Ar na 7000Ar ny m2 hanaovan'ireo orinasa tena mpamboatra (Sous-traitants) kanefa avo 5 na 10 heny amin'izany ny an'ny orinasa akamakama tena tompon'ny tsena na « marché publique ». Izay no maha zava-dehibe ny Antananarivo Nomerika satria na ny « marché public »a aza dia tena hatao mangarahara. Afaka kelin'ny Toby Ratsimandrava eo Andrefan'Ambohijanahary ohatra lalana 10m2, ka izany ve tsy ho vitantsika fa lasa iandrasana projet ngezabe?

Toky R


 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap