airtel

Politique

17-janv-2024

Fampandrosoana firenena

Tsy mandeha io rehefa ny lohany no matsatso

Sample post image

Lasa lamaody indray moa tamin’ity fitondrana Rajoelina ity ny hoe manatitra CV ireo izay te ho minisitra,

17-janv-2024

ary izay tsy lany eo dia mbola afaka manantena hahazo toerana mpiasam-panjakana ambony araka izay filan’ny fanjakana foibe.

MAHAY KANEFA MAHANTRA
Efa fantatra hatry ny ela fa maro ny Malagasy tena mahira-tsaina tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany , tena misy manana toerana ambony na anaty fanjakana na any amin’ny sehatra tsy miankina. Ny mahagaga anefa dia mbola mahantra hatrany i Madagasikara amin’izao 2024 izao, nitovitovy tamintsika anefa i Chine sy Inde tany amin’ny 1950 tany, saingy ankehitriny efa ny Amerikanina no mifaninana amin’izy ireo. Tsy marina izany ny hoe tsy mahay ny Malagasy, resaka fitantanana sy fommba fiasa no mampandroso na mampihemotra fa tsy hoe noho ny mari-pahaizana fotsiny ihany . Tsy sanatria maniry ratsy ho an’ny governemanta vaovao, izay re siosion-dresaka fa hoe enim-bolana ihany aloha no hiasany , fa tena miankina betsaka amin’ilay fandaharanasan’ny filoham-pirenena ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mazava ho azy fa handrafitra paikady ny governemanta sy ny isaky ny minisitera, fa ny Filoha foana no tompon’ny teny farany . Koa raha mbola tsy mahay mamaritra mazava ny tena laharampahamehana sy manabe ny olona hiasa , hamokatra fa tsy miandry ho toloram-potsiny ny fitondram-panjakana dia ho antitra eto ihany fa tsy hahaita fandrosoana. Tsy misy azo antenaina rehefa ny lohany no matsatso.

MILA MAHAY MITANTANA
Atao ahoana moa no hahatoky mpitondra any anatina fahefana mpanao lalana mampidera basy amina fahitalavitra, na mpiteny ratsy ao amin’ny facebook ; ahoana no haneken’ny saina hoe volamena anaty vata vy mihidy ao amin’ny minisitera no manjavona tampoka eo ? Raha tena nahay nametraka ny fototra iaingan’ny fampandrsoana ny fitondrana Rajoelina tao anatin’ny 5 taona voalohany , tsy toa izao ny firenena. Na io resaka Jirama io aza efa nahitana vahaolana mahomby sy maharitra, saingy izao iaraha-miaina izao ny delestazin’ny herinaratra sy ny fahatapahan’ny rano.Nitombo indray ilay fahavoazana. Olona manampahaizana sy be diplaoma daholo anefa no mpitantana ao amin’ny jirama. Ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar dia iny nanjavona iny niaraka tamin’ny trosa be, ary ilay nasolo azy efa bokan-trosa indray ankehitriny, anisan’ny tena manampahaizana eto amin’ny tanana anefa ireo mpitantana ao. Efa mazava fa noho ny fahasarotan’ny fanamboarana taratasy sy ny firongatry ny kolikoly ary tsy fisian’ny mangaraharaha amin’ny fitantanana no tsy maharisika ny mpampiasa vola ho avy eto Madagasiikara tato anatin’ny 15 taona izao . Tsy azo antoka ny fampiasana vola eto, satria be loatra ireo hametrahana kely vao tafajoro ny orinasa, ny mpitaky ecolage isam-bolana avy eo mbola manginy fotsiny. Aleon’ny olona mitady firenen-kafa hampiasana ny volany toa ny atsy Maurice, Comores, Mozambika, Afrika Atsimo, Seychelles, Namibie..ary tena mandroso noho ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany na IDE ireo firenena ireo.Efa very lavitra i Madagasikara. Tsy ny vola be na ny diplaoma mipoapoaka no mampandroso fa ny fahaizana mitantana sy mandritra ny asa ary ny fanana fahiza-mitarika mifandraika amin’ny zava-misy iainana sy ny tontolo manodidina.
RTT
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap