airtel

Politique

05-sept-2023

Fampandrosoana ny firenena

Mianatra an’I Madagasikara, manome sehatra ny Malagasy, mila mamorona harena

Sample post image

Antoko aloha vao olona, nampianatra nanomboka ny 2003, ary tena mahatsapa fa tena marary ny fanabeazana,

05-sept-2023

mahafaty ny tsy fanarahan-dalana ka ny fanabeazana avokoa no vahaolana, raha ny voalazan’I Tahina Razafinjoelina. Mifameno tanteraka ireo vina miisa 3 entiny ho an’ny firenena, dia ny fanabeazana miompana amin’I Madagasikara, ny fitsinjarana ara-bola, Madagasikara nomerika. Tafiditra tamin'ny sehatra 3 ny tenany, dia ny maha Mpampianatra, niasa teo amin'ny Minisiteran'ny vola ihany, miasa sy mivelona amin’ny tontolon’ny nomerika sy ny teknolojia ka misandrahaka maneran-tany amin’izany. Isan’ny nambarany hatrany fa hanova ny rafi-panabeazana ny tenany sy ny FTT Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. “Ny zavatra ampianarina no miova, andao hianatra an'i Madagasikara. Tsy mahantra isika raha mahay an'i Madagasikara”, hoy I ity Kandidan’ny FTT ity. Ananantsika ny harena maro fa moa ve ohatra, mmisy mampianatra ny volamena, safira,... 1,2 tapitrisa km2 ny velaran-dranomasintsika izay isan’ny lehibe indrindra aty Afrika, kanefa kere ny any Atsimo izay manana moron-dranomasina. “Tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy ny fanabeazana. Miainga amin'ny fahalalana ny fandrosoana”, hoy izy. Tsy mihambo fa efa an-jatony maro ny mpianatra nampitaina, misehatra eran-tany, nampiharana an’ilay hoe: ny fianarana mahatafita, hoy izy izay nanamarika fa anisan'ny nampety ny fiainany ny fanabeazana, ny fanabeazana mahatafita.. Efa natao fa tsy vao atao noho izany ny vina sy fandaharan’asan’ny FTT. Notsipihiny ihany koa, fa ampianarina hifanampy fa tsy hifaninana ny Malagasy, ka namosahany an’ilay hoe: “Malagasy empowerment”, izany hoe: mifototra amin’ny firaisankina fa tsy fankahalana. Tsy maintsy mifanome tànana, tsy maintsy mandraharaha eto ny mpandraharaha Malagasy, ny Malagasy aloha. Mifanome tànana handroso, tsy mankahala vahiny fa manome vahana ny Malagasy, mila hamoraina ny fahafahan'ny Malagasy mandraharaha, hoy hatrany I Tahina Razafinjoelina.
MILA MAMORONA HARENA
Manipika hatrany ny tenany fa fanimbana saina amin'ny propagandy ny hoe sosialy, ary tsy fitserana no ilain’ny Malagasy, fa herijika ahafahana mamorona harena. Ara-politika, ny mahatonga ny olona mandainga roa ihany, na fanahy iniana na tsy voafehiny. Niaina tao, ny mpampianatra no mandray karama farany ambany, voafehy ny fanovàna hatao. Ny fampanantenana omena ny vahoaka dia trano, vary,... Vokatry ny harena izany fa tsy mamorona harena. Ny mahamaika dia vonjeo izahay fa noana. Misy takalony vao misy mampanantena zavatra iray andro, jereo fa lasa ny tany, lasa tompony mangataka atiny. Nanam-paniriana daholo ny mpitondra hampandroso. Ny fahalovan'ny Firenena dia miainga propagandy, mamafy volabe, Dia fahantrana no vokany, tsy misy ny olona niomana ho ratsy toetra fa voageja, hoy I Tahina Razafinjoelina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap