cimetière de projets » i Afrika. Tafiditra ao anatin’io i Madagasikara, izay zary lasa vina poakaty sy manidintsidina, fihetsiketsehana teknika, ny fivorivoriana, ny atrikasa, ny tetikasa,… no betsaka fa ny asa sy fanatanterahana tsy misy, ny fomba hoenti-manatanteraka tsy voarefy ara-bola sy ara-potoana. Zary lasa fombafomba hoentina mitady famatsiam-bola sy handaniana vola ny atrik’asa sy fivorivoriana etsy sy eroa, hany ka betsaka ireo tetikasa tsy tena mipaka sy makany amin’ny tombotsoa nofaritana. Na any amin’ny tetikasa tantanin’ny tsy miankina dia betsaka ny endrika isehoan’izay. Zary lasa fomba fiasa hoenti-mitantana Firenena mihitsy aza satria tena mipoapoaka amin’ny fihetsiketsehana teknika, fampanantenana, resaka ambony latabatra,… fa ny fanatanterahana hiviny mba tsy hilazana fa poakaty. Dia ireny aseho ireny ny filankevitry ny Minisitra mivoaka ny renivohitra mba hanehoana fa manakaiky vahoaka, saingy ny fahefana sy ny vola tsy voatsinjara, fa mijanona any amin’ny Fitantanana an-tampony ka tsy misy zavatra tena mipaka eny ifotony sy amin’ny fiainam-bahoaka. Resaka sy vina ary fampanantenana no betsaka fa ny fanatanterahana mbola mametraka baraingo maro. Porofo mivaingana ireo fampanantenana politika maro raha ny tato anatin’ny 7 taona farany fotsiny. Tena nipoapoaka izany IEM izany izay nentina nakana fom-bahoaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018. Hatramin’ny hoenti-manana ara-bola nolazaina fa efa vonona, tsy mila ireo mpamatsy vola vahiny izay nolazaina fa tsy hampandroso na amin’ny 2060 aza. Ny resaka angovo sy herinaratra tena nipoapoaka izany 400MW anatin’ny 5 taona izany, fa ny fanatanterahana poakaty. Natao be filaza fa tena goavana sy hitondra fanovana goavana ny « Plan Marshall » tao anatin’ny vanim-potoanan’ny coronavirus ny taona 2020 fa moa nisy zavatra nivaingana ? Ny làlam-pirenena izay nolazaina tamin’ireny fa hararaotina ao anatin’ny fihibohana ny fanamboarana fa moa nisy asa sy zavatra nivaingana ? Nandeha ny filazana nipoapoaka izay ny Filoham-pirenena mihitsy no nanao ny fanambarana ofisialy fa hanangana orinasa mpanamboatra fiara dia ny Orinasa Gasycar i Madagasikara fa inona no teo ? Mba betsaka ihany izay fivoahan’ny mpitondra makany ivelany izay, manatrika hetsika ara-diplaomatika, resaka fitantanana, fampandrosoana,… fa toa tsy mba maka lesona amin’ireny fa ny volam-bahoaka fotsiny no lany. Zary hoentina amin’ny aingam-panahy ny Firenena, tantanina amin’ny fitanisana vina sy tetikasa, fa ny asa fanatanterahana tsy tena misy mahomby. Ny resaka ady amin’ny fahantrana moa zary lasa kabary manidintsidina tahaka ny bokotra no potserina dia mivaha ny olana tahaka ny nilazan’ny Filoha ankehitriny hoe : « calme » ianareo fa tsy atao mahantra intsony. Izany sisa no endriky ny fitantanana tsy misy sori-dàlana mazava eto fa dia mandehandeha ho azy eo ka izay hidonany ipoahany !
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,