izay fotoana namoahana ny didim-panjakana manatsahatra ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony momba ny demokrasia sy tany tan-dalana na HCDDED tamin’ny asany fa resaka fotsiny ny an’izao fitondrana izao izany fampanjakana ny demokrasia sy tany tan-dalana izany satria dia vitany ny nanapaka an-tenantenany ny fotoam-piasan’izany rafitra izany nefa mbola tsy tokony hifarana akory. Izany resaka fihavanana sy fampihavanam-pirenena izany moa dia tao anatin’izay 4 taona izay no niaraha-nahita ny tsy fahavononan’ny fitondrana ankehitriny hiroso aminy. Raha nisy fitsikerana betsaka indrindra heno mikasika izany Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM izany dia saika avy amin’ny fanohanana ny fitondrana hatrany. Nifarana am-bolana maro moa izay ny fotoam-piasan’io rafitra io saingy mbola baraingo hatreto ny mety ho tohiny. Ankoatran’ny fanenjehana ireo heverina ho fahavalo politika sy mpanelingelina izao fitondrana izao tahaka an-dry Malama, Mbola Rajaonah, Berija sy ny tariny dia ireny niaraha-nahita ireny koa ny nahazo ireo vehivavy TIM nikasa hanamarika ny 8 martsa. Toy izany koa ny nahazo ireo depiote nitarika hetsika teny Itaosy teny. Tontolo iainana politika toy izany ve no heritreretin’izao fitondrana izao hitondra fampandrosoana ?
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny