airtel

Politique

01-mars-2023

Politique

Fampihavanam-pirenena “Tokony hijery ny tantara marina ireo mpahaitantara”

Sample post image

Ny tantaran’I Madagasikara, ny fitondrana mpanjaka nisy teto dia “multipolaire” na avy amina fihaviana maro, hoy ny Cheikh Antehimoro, Yackobson Brice Andrianirina

01-mars-2023

Hatramin’ny nahatongavan’I Jeneraly Gallieni dia nisy ny fifandraisana tamina faritra hafa, hoy izy. Isan’izany ny fifandraisana tamin’ny Soltana Doman sy Yemen. Ny fifandraisana tamin’i Indonezia, tamin’ny alalan’ny tanana antsoina hoe Atche, Portugal tamin’ny fanjakan’I don Manuel I sy don Manuel II. Ireo mpanjaka portogey nametraka fiarovana tany Matatana, Vohipeno. Toy izany ihany koa ry zareo espaniolina sy Afrika atsinanana rehetra. Nifandray tamin’ny foko maromaro teto Madagasikara ny mpanjaka tany. Tantaran’I Madagasikara izany, ankoatran’ireo foko manana tantara voasoratra. Manana anjara asa lehibe voalohany amin’ny fampihavanana izany ny mpahaitantara malagasy. Tokony hijery ny tantara marina ireo mpahaitantara malagasy ireo fa tsy mijery izany amin’ny tanjona tokana dia I Lafrantsa. Matetika ny fianarana vitan’ireo dia notsaraina teo anatrehana mpampianatra frantsay na “francophone”. Tsy ampy dia tsy ampy izany satria ny teny hoe “rova” sy “doany” fotsiny izao, amin’ny maha taranaka antehimoro ny tenako sy ny fianarako ny tantaran’I Madagasikara, izao dia avy amin’ny teny arabo, toy ny nihavian’ny teny hoe Alatsinainy, talata, alarobia sy ny ambiny. Rova avy amin’ny hoe “Raova”. Ny doany avy amin’ny hoe “Doha”, izay midika hoe hataka, vavaka. Anjarantsika ny mikaroka izany satria rehefa voaravina ireny dia mihavana ho azy ny malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny Cheikh Yackobson Brice Andrianirina
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap