airtel

Politique

06-janv-2023

Politique

Fanadihadiana ny fandaniam-bola tsy mazava Ny volomboasary no hameno ny fonja raha tena mandeha

Sample post image

Nanome toromarika nandritra ny fiilan-kevitry ny minisitra omaly ny Filoham-pirenena mba hanaovan’ny Inspection Générale de l’état (IGE)

06-janv-2023

fanadihadiana momba ny fandaniam-bola tsy mazava mitentina 3 056 399 155 ariary.Famatsiam-bola azo avy amin’ny UNICEF teo anelanelan’ny 2014 ka hatramin’ny 2019 izy io, ka rehefa tsikaritra hoe nisy ampahany nolaniana tsy araka ny nifanarahana dia nangataka ny hamerenana izany vola izany ny UNICEF. Rehefa vita ny fanadihadian’ny IGE ka fantatra hoe iza sy iza avy no tompon’andraikitra tamin’ity raharaha maizina ity, dia alefa avy hatrany eny amin’ny Bianco ny antontan-taratasy mba hahafahana mitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Ny volana desambra 2022 teo ihany koa moa dia efa nisy ny tatitra momba ny fandaniana ahiana ho tsy mangarahara sy tsy araka ny tokony ho izy tamin’ny fampisam-bola momba ny ady amin’ny tazomoka sy ny raboka ary ny ady amin’ny SIDA. Nisy ihany koa ny baiko nataon’ny Filoham-pirenena nampanao fanadihadiana ny IGE nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 21 desambra. Nilaza kosa ny teo anivon’n CNLS izay miady amin’ny VIH/SIDA ny volana desambra fa nisy ny fandaniam-bola tamin’ny asa natao ny 2019-2020 kanefa tsy naneho ny porofo mazava. Ny volana novambra 2021, efa nasain’ny Banky Iraisam-pirenena namerina ny 1,752 tapitrisa dolara natokana ho amin’ny fanatsarana nyy sehatra ara-pitantanana ny angovo sy herinaratra isika noho ny fitantanana tsy mazava. Zava-dehibe ny fanomezana baiko hentitra eo anatrehan’ny fitantanana tsy manjary ny fanodinkodinam-bola, na koa afera maloto samihafa. Ny tsikaritra anefa, toa singatsinganina miharo tanjona ara-politika, toa hamelezana ny mety ho mpifanandrina politika amin’ny fifidianana. Efa endrik’izany ilay nataon’ny Fanjakana ny tamin’ilay hoe dinika politika amin’i Maurice hatomboka mba hamerenana ny volamena 25,5kg niondrana antsokosoko ny fiandohan’ny taona 2019. Tato aoriana anefa rehefa nitondra Rajoelina, sesilany ny fanondranana toy ny 73,5kg tany Afrika Atsimo, 48kg tany Kaomoro,… saingy aotra ny naotiny tamin’ny famerenana ireny. Ny 36kg nanjavona tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany fa moa nanome baiko ny IGE ny Filoha ? Nitatitra ny Fitsarana momba ny kaonty fa maro ny tsy mazava tamin’ny fampiasana ny 444 tapitrisa dolara fanampiana tamin’ny coronavirus fa moa nisy tohiny? Aiza ny raharaha bonbon sucettes 8 miliara Ar sa tsy afaka nanome baiko ny filoha satria akama? Aiza ny tohin’ny raharaha “écran plat” 200 tapitrisa Ar mahery? Mby aiza ny raharaha fahana finday hatrany amin’ny 80 tapitrisa Ar an’ny governora iray? Ampahany ireny, fa raha tena atao ny fanadihadiana sy ny fitsarana mahitsy tamin’ireo raharaha maloto nandritra ny Fanjakana nifanesy, ny olon’ity Fitondrana volomboasary ity no ho betsaka indrindra any am-ponja!
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap