airtel

Politique

12-avril-2023

Politique

Fanadiovana ny lisi-pifidianana 66 000 ny anarana niverina, 379 000 tsy tomombana

Sample post image

Nikatona vonjimaika omaly 10 aprily ny lisi-pifidianana. 9 623 662 ny mpifidy voasoratra anarana ara-dalàna hatreto taorian’ny fanadiovana ny lisitra, araka ny tatitry ny CENI omaly 11 aprily 2023.

12-avril-2023

Manome 70,80% amin’ny tanjona nofaritana izay 13 593 006 io. Miisa 10 069 136 no voaisa hatramin'ny nanaovana ny fanavaozana tanteraka saingy nisy ny latsaka rehefa natao ny fanadiovana, hoy ny Mpampaka-teny voalohany eo anivon’ny CENI Atoa Soava Andriamarotafika. Tamin’ny alalan’ny fampiasana ny rindram-baiko dia miisa 66 313 (0,66%) ny anarana mitovy na miverimberina niverina toy ny anarana iray voasoratra in-droa na "Doublon" ny mitovy laharan-karapanondro sy ny endriny hafa mety maromaro, hoy hatrany io tompon’andraikitry ny CENI io. Nambara ihany koa fa 379 161 fa nahitana tsy fahatomombanana loatra tao anatin’ilay takelaka manokana nanisana mpifidy, toy ny daty nahaterahana mety tsy ampy, laharan-karapanondro tsy feno, na tsy fahatomombanana hafa, ka tsy maintsy haverina eny anivon’ny fokontany mba hanaovana fanintsiana. Taorian’izay fanadiovana izay no nivoahan’ilay 9 623 662. Raha hakambana izany, 445 474 izany ny anarana niverimberina na nisy tsy tomombana hafa nesorina. “Izay no niainga tamin’ny fanadiovana saingy mety tsy ho tomombana 100%, mety mbola misy anarana ho diso tsy maintsy harenina satria tsy vita any anaty rindram-baiko”, hoy ny CENI. Manana 20 andro hanamarinana ny lisitra eny anivon’ny fokontany ny olom-pirenena. Nanentana ireo olona mbola tsy nahavita tanteraka ny fisoratana anarana moa ny CENI, ary nampahatsiahy fa mbola manana hatramin’ny 31 may hisoratana anarana ny rehetra. Rehefa jerena, mbola latsaky ny isan’ny 9 913 599 tamin’ny fifidianana 2018 izany hatreto ny ao anatin’ny lisitra nohavaozina.
AMBANY BE NY TAHA HO AN’ANTANANARIVO
Raha ny taham-pisoratana anarana dia ny faritanin’Antananarivo no ahitana mpifidy betsaka indrindra izay 3 045 005 hatreto, saingy ambany indrindra amin’ny tahan’ny fisoratana anarana satria mbola any amin’ny 66,25% amin’ny tanjona nokendrena 4 596 461. Ny 71,47% kosa I Toliara izay 1 433 625. Eo amin’ny 71,86% ny any Antsiranana izay 705 745 ny isan’ny mpifidy ara-dalàna hatreto; 71,94% kosa ny an’I Toamasina izay 1 459 746; Fianarantsoa 73,41% amin’ny alalan’ny mpifidy 1 792 043; ary Mahajanga izay kosa no manana taham-pisoratana anjara ambony indrindra hatreto satria 77,20% izany amin’ny alalan’ny mpifidy 1 187 498.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap