Vao mainka niharihary fa atahoran’ny Fitondrana ankehitriny ilay mpanohitra lazainy fa resy lava, ary nanome bala ho an’ny mpanohitra ny mpitondra. Karazana hadisoana ara-politika na “dérapage politique” indray ny niseho ny sabotsy teo satria matoa aloha izany norarana ny hetsiky ny mpanohitra, dia midika fa atahorana. Ny mahagaga dia ny hoe: nahoana no nosakanana tsy hiditra anaty toerana mifefy fa mainka natosika teny an’arabe? Satria tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra ny hoe: mahazo vahoaka, maharesy lahatra olona,… ka dia naleo nosakanana. Vao mainka anefa mampihena ny herijikan’ny fiondrana ireny. Ny fanjakana indray izany no toa nanao fameloma-maso sy nampalaza ny mpitarika ny mpanohitra. Nampiakatra ny laza na “côte de popularité” ho an’ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM Rina Randriamasinoro iny fisamborana iny. Heverina fa adihevitra be teo amin’ny samy manam-pahefana iny fisamborana iny. Nambara fa fitarihana famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana, fanohintohinana ny filaminam-bahoaka no vesatra, kinanjo navotsotra ihany noho ny hariva, rehefa nandeha ny antsoantso sy fitakiana hoe: avoahy ireo mpitarika. Tsy olon-tsotra fa mpikambana ao anatin’ny Birao politikan’Antoko lehibe rahateo no nosamborina, izay tsy dia fanao loatra amin’ny toe-draharaha mangotraka tahaka izao. Ny fitazonana na “garde à vue” tahaka ireny matetika sy raha ny tokony ho izy, dia 48ora, saingy ao raha matoa navotsotra. Nolazaina fa tsy nahazo alalana, ary matetika rehefa misy fisamborana ara-politika tahaka ireny tsy afa-bela vetivety, indrindra fa ireny ny endriky sy sary nanehoana azy. Novoizina tamin’ny fandrarana sy ny fisamborana fa tany tan-dalàna i Madagasikara, tsy ekena ny fanakorontanana,… Nahaoana no navotsotra? Fa angaha tsy tany ta -dalàna eto? Na nisy ny fifanarahana politika, na nandeha ny tsindry goavana iraisam-pirenena hoe: havotsory ireo. Ratsy ny sary niseho teo imason’izao tontolo izao. Ny Fanjakana no toa tafiditra tao anaty vovo ny sabotsy teo, rehefa tena dinihina.
Toky R
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,