ireny satria dia tsy nisy singa navelany namatotra azy tamin’ny teniny mihitsy tetsy Mahamasina tamin’iny 19 janoary 2019 iny? Tsy nisy Baiboly. Tsy nisy loharano na rano novelesina nefa hoe velirano. Hita ho tsy mahagaga, noho izany, ankehitriny, raha toa ny delestazy nolazaina fa ho vahana anaty 3 volana no navadika ho vahana amin’ny 2027 na 2028 any indray ankehitriny. Nolazainy ho vitainy ao anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona nefa izy aza izao mangataka an-kolaka sahady ny hanitatra 5 taona fanampiny indray. Ho an’ireo izay efa nahalala azy hatramin’ny nahazoany fitondrana voalohany tamin’ny tetezamita 2009 moa dia efa mahalala tsara fa efa fanaony io tsy mitana teny nomena io. Nampanantenaina hilatsaka ho 500 Ariary tamin’ireny ny 1 kapoaka amin’ny vary ary 2500 Ariary ny litatry ny menaka saingy tsy nisy. Nolazaina fa ho avy ny tramway na fiara an-dalamby haingam-pandeha saingy mbola miandry an’Ambatobevoka isika hatramin’izao. Etsy ankilany dia feno 4 taona omaly ihany koa ny nifanoloran’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, sy ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ilay fanalahidy be nolazaina fa fanalahidin’I Gasikara. Noraisin’ny filoham-pirenena ankehitriny moa izy iny satria hoe izy izany no tompon’ny “lakile”, hoy ilay hira iray izay nanomboka teo. Nomena azy ilay izy fa hoe izy no mitana ny fanalahidin’I Gasikara. Raha iny aloha dia tena mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona tokoa. Raha tsy ny filoham-pirenena ankehitriny tsy nahita ireny fihetsiketsehana vaovao ireny. Mbola tsy hay anefa hatreto izay nohidiany sy novahan’iny fanalahidy be iny. Namaha ny fahantrana ve? Nanidy ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao na ny fitsabahan’ireo firenena vahiny ny raharaham-pirenena eto ve? Maro ny fanontaniana tiana apetraka ary inoana fa efa hain’ny ankamaroantsika koa ny valiny.
J. Mirija
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.