airtel

Politique

20-nov-2024

Fanaovana fampielezan-kevitra

Atao anatin’ny fanajana lalàna fa tsy entina bontolo

Sample post image

Manamafy ny avy ao amin’ny birao politikan’ny antoko Tia Tanindrazana, fa nametraka taratasy fampahafantarana

20-nov-2024

eny amin’ny prefektioran’Antananarivo ny hetsika nataony niainga teo amin’ny foibe toerany Soanierana namonjy an’Anosy sy manoloana ny kianja Barea ny izy ireo, izay nanolotra ny kandida Tahina Razafinjoelina. Natao moa izany mba ialana amin’ny mety ho fifandisoan-kevitra mandritra izao fampielezan-kevitra izao ; manara-maso akaiky rahateo ireo mpitandro filaminana sy mpikarakara ny fifidianana ka tsy mety loatra ho an’ny kandida ny manao adalana. Efa tahaka izany foana isaky ny fampielezan-kevitra fa tsy hoe vao izao izany. Mifandraika amin’izay moa dia misy ireo milaza azy fa mpanohitra, manohana kandida iray no nahazo fampitandremana avy amin’ny prefe noho izy ireo nivoaka ny toerana voatondro fa hanombohany ny fampielezan-kevitra ary nitarika olona namakivaky ny kianjan’ny 13 mey. Voarara izany, hoy ny prefe, satria efa nambara fa faritra mena io, tsy mety itarihana olona hanao fihetsiketsehana politika indrindra fa amina vanim-potoana tahaka izao. Etsy ankilan’izay mila fitandremana be ihany koa ny olom-pirenenna manoloana ny mety ho filalaovana ny maha olon’ny fo ny malagasy ka ilazana hoe : io fa henjehina izahay, dia mody manao mampalahelo eo dia hoehahazo ny fon’ny mpifidy. Raha fampielezan-kevitra marina ny atao dia hevitra sy Vina no zaraina amin’ny olom-pirenena fa tsy ampiasana paika efa somary nilaozan’ny toetr’andro ihany ary efa hita ny voka-dratsiny teto amin’ny firenena. Rehefa misy tokoa ny fisamborana, dia ireo olon-tsotra no lasibatra fa ny mpitarika politika milamindamina. Aoka samy ho mailo ihany e.
RTT
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap