airtel

Politique

14-nov-2023

Fanaovana fitaovana

politika ny mpitandro filaminana

Sample post image

Mihamaro ny fanairana avy amin’ireo manamboninahitra

14-nov-2023

Noho ireo ratra vokatry ny tifitra lakrimozenina mahazo ireo vahoaka, dia miangavy anao rahalahy atsaharo ny herisetra atao amin’ny mpiray tanindrazana. Tsy fahavalo ireo na mpifanandrina akory, fa vahoaka tsotra te haneho ny heviny. Olana politika io ka vahaolana politika no mifanandrify amin’izany. Mandry ve ny sainao ? Mandry ve ny feon’ny fieritreretanao mahita zaza amam-behivavy any amin’ny hopitaly, ny any amin’ny sekoly sempotra iharan’ny toraka lakrimozenina isan-karazany ? Manameloka tanteraka ireo izay nahavanon-doza ka nisian’ny rano raraka izahay andiany faha-13 aty Toliara, izay iray andiany taminao tany amin’ny Akademia», hoy ny fanambarana niraisan’ny Kolonely HR, Kolonely Rakotomalala Désiré, ary ny kolonely Rabearilaza miantefa amin’ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard ny faran’ny herinandro teo. « Arme d’Elite» no nampalaza ny zandarimaria, izany hoe manana ny maha izy azy, saingy lasa tsy asian’ny olona hasiny noho ianareo izay mibaiko azy, mitondra azy amin’ny tsy tokony ho izy, ataonareo fitaovana politika, ka malahelo izahay satria tato no nandanianay ny fahatanoranay, hoy ny Kolonely Rabe Jules nanamafy izany. Maro, hoy izy, ireo zandry mbola hilomano amin’io zandary io, ary ireo mitondra ny fibaikoana dia tsy maharitra 5 taona dia handeha hisotro ronono, misy ny efa misotro ronono toa ny Jeneraly Ravalomanana, ka aza simbaina ny zandarimaria, aza simbaina ny zandry madinika, eritrereto ny ho avin’ny zandarimaria. Nampahatsiahy ny tenany fa rava ny FRS vao nampidirina politika, ka tsy mety ny fanaovana politika ny zandarimaria, hoy hatrany ny Kolonely Rabe Jules. Efa nisy ihany koa raha tsiahivina ny fanairana nataon’ny ombimangan’ny andiany faha-16 fa ny olana politika dia tokony hovahana amin’ny politika, ka tsy tokony hanaiky hatao fitaovana ny tafika. Voalaza fa tsy fankasitrahana ny baiko hamoretana sy hanaovana herisetra ihany koa no nanesorana ny Kaomandin’ny ZDS Ikopa, raha ny vaovao sy fanehoan-kevitra maro niely, izay tsy nisy fandisoana. Avy amin’ny vahoaka ny tafika ary tsy maintsy miverina amin’ny vahoaka. Efa betsaka no tonga saina eo anatrehan’ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana ho fitaovan’ny mpanao politika. Tsy tongatonga ho azy ny fanambarana tahaka itony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap