airtel

Politique

07-nov-2022

Politique

Fanaovana politika sy fitantanana firenena Hanomanana ireo ho mpandimby ny « AVI Leadership Academy »

Sample post image

Notanterahina ny zoma lasa teo teny amin’ny Astauria Antanimena ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « AVI Leadership Academy », izay sampana iray ao anatin’ny Tanoran’ny Antoko AVI.

07-nov-2022

Natao izao sehatra fiofanana izao hoy ny Filohan’ny Antoko Norbert Lala Ratsirahonana mba hamolavolana ireo tanora izay te hisehatra eo amin’ny politika, ary indrindra koa hanomanana ireo mpandimby na ny « relève » ho an’ny Antoko satria dia efa 25 taona ankehitriny ny antoko ary efa fitondrana maro nifandimby no nolalovany, fa mbola mijoro hatrany amin’ny foto-keviny izy ireo. Zava-dehibe tokoa ny sehetra ahafahana manofana tanora toy izao, hoy ihany ny Filoha, satria dia tanora hitondra sy hitarika ny fampandrosoana an’i Madagasikara no ampitomboina ny fahalalan’izy ireo, tanjona ihany koa ny faharetan’ny Antoko AVI ahafahany mitondra ny anjara biriky ho fampandrosoana any Madagasikara. Notsahiavina moa nandritra ity lanonana fanokafana ity ireo foto-kevitra hijoron’ny Antoko dia ny : Tany tan-dalàna , ny fanajana ny zon’olombelona sy ny demokrasia ary ny Fanjakana tsara tantana. Mbola Hisy koa moa ireo hetsika maromaro ho ataon’ny Antoko hatramin’ny farany taona any amin’ny Faritra, toy ny any Toamasina, Fianarantsoa sy Toliara araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap