Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mbola azo lazaina ho ambany ny tahan’ireo vehivavy hita sy mandray anjara eny anivon’ireo andrim-panjakana roa lehibe eto amintsika. Toraka izany koa ny eo anivon’ny governemanta, ny faritra raha tsy lazaina intsony ny eny anivon’ny kaominina sy ny Fokontany, rafitra farany ambany indrindra nefa tena manana ny maha-izy azy tokoa. Manoloana izany dia nanao ezaka ny EISA amin’ny alalan’ilay tetikasa Africa Democracy Strengthening IV na ADS IV. Nisy ny fiofanana nomeny ireo vehivavy tanora miisa 23 izay navoaka tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly. Ho afaka hiasa amina sehatra maro izy 23 mirahavavy mianaka ireto. Anisan’ireny ny resaka fiovaovan’ny toetr’andro, ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fitsarana marina sy tsy mitanila ho an’ny olon-drehetra…Naharitra efa-bolana moa izy ireo ny fiofanana natrehin’izy ireo ka anisan’ny tanjona ny hahafahany maneho hevitra sy mandray fanapahan-kevitra amin’ireo karazana sehatra mety hisy azy indrindra fa ny resaka fiaraha-miasa….mba hampirindra ny fiaraha-monina.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo vehivavy mpianatra navoaka omaly
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika