Nozaraina 2 ny laka itsinjovana na “axe” nitondrana ny fiofanana, hoy ny avy eo anivon’ny foibem-pirenena mampiofana momba ny fitsinjaram-pahefana sy fampandrosoana ifotony na INDDL, tetsy amin’ny Senacle Amparibe omaly. Iny faritra avaratra, andrefana, afovoany, tapany afovoany sy manodidina izay no “axe” voalohany, izany hoe Analamanga, hoy ny tale jeneralin’ny INDDL, Saïd Ahmad Djaffar. Miisa 61 avy amin’ny faritra 13 izy ireo. Any Ihorombe sy Ihosy kosa no hanaovana ny tapany faharoa. Mianga amin’ny zava-misy tsapan’ny minisiteran’ny atitany sy ny INDDL, izay rafitra miankina aminy, no handrafetana ny taranja na “module” hampiofanana ireo ben’ny tanana vehivavy ireo. Ao ny resaka hetra anatiny na “fiscalité locale”, ny fitantanan-draharaham-panjakana na “gestion administrative”, ny fitantanana mpiasa na “gestion du personnel” ary ny fitantanana ny vola iasana na “budget du programme”. Antony hanomezana ireo “module” ireo ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny tanana izay efa hifarana. Iandraiketan’ny FDL na “fonds de développement local” ny famatsiana ireo vondrona itsinjaram-pahefana eny ifotony. Efa nisy ny fandaharana napetraky ny FDL mikasika izany ka inoana fa hahazo ny anjarany tsy ho ela ireo kaominina mbola tsy nahazo izany. Misy ben’ny tanana voarohirohy amin’ny resaka fitantanana sy ara-bola ka noho izay resaka izay indrindra no anton’ny fiofanana toy itony mba hanamorana ny fanarahan’ireo ben’ny tanàna ny fanaraha-mason’ny mpiara-miasa aminy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny