airtel

Politique

15-sept-2022

Politique

Fanarenana ny firenena Inona no tena laharampahamehana ?

Sample post image

Manana 1 taona sy 2 volana sisa ny fitondrana ankehitriny raha atao hoe mialohan'ny fifidianana 2023.

15-sept-2022

Raha tsiahiviny ny taona 2018 dia ny 8 novambra no nandeha ny fiodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny 19 desambra ny fiodinana faharoa. Raha izao zava-misy izao, tsy hisy fahagagana be ka hoe ho 7% ny fitomboan'ny harinkarena. Sahirana ny firenena. Hitombo isa ihany ny mahantra sy tsy ampy sakafo. Ho mafy kokoa ny krizy tsy maintsy alamina. Tsy hisy mana milatsaka tampoka avy any an-danitra. Ny fanampiana avy any ivelany koa tsy azo ianteherana be satria anaty fahasahiranana ny eoropeana, mailomailo ny Amerikanina. Mitandrina be ny sinoa ary manana ny kajiny, ohatran'izay ihany i Inde sy Torkia. Tsy maintsy miasa sy mamokatra i Madagasikara raha te ho velona sy handroso. Sady mamokatra no manodina vokatra. Indostria eto no resaka. Mila fitoniana sy fitsipika mazava io mba samy hisitraka fa tsy hoe vondron'olombitsy no manao ampihimamba ny harena be eto. Mbola misy anefa ny ahiahy tsy hihavanana ka io ilay mila alamina. Tsy maintsy fifampiresahana no atao. Mila atao mazava tsara ny tanjona, lalan-kombana ary fitsipi-dalao. Tsy maintsy ho avy ny fifidianana fa tsy azo entina kosa amin'ny mokondoha fotsiny. Azo ovaina ny lalàna hikatsahana ny tombotsoa iombonana sy manaraka ny fivoaran'ny tontolo. Tsy misy fandrosoana ao anaty fifandrafiana sy fifandonana lava izany. Mila tena miova ny toetsaina amin'ny sehatra rehetra, miaraka mivoatra, miaraka mikaroka, miaraka misandratra. Fifanoheran-kevitra tsy maintsy misy fa ny olona hendry mahay mifandamina foana. Tsy ho tafavoaka eto mihitsy raha samy hieritreritra izay mahamety ny tenany fotsiny. Mila fifandeferana. Asa, fanabeazana, fahasalamana, famokarana, fandriampahalemana, fandraharahana mirindra, fitsarana tsy miangatra. Ireo voatanisa ireo amin’ny ankampobeny no heverina fa tokony hisintomana ny tena tokony ho laharampahamehana raha ny mikasika ny fanarenana ny firenena amin’izao fotoana izao no ambara. Saika heno matetika any anatin’ny sosokevitr’ireo ivelan’ny fitondrana ihany koa ireo na mpanohitra io na fiarahamonim-pirenena na mpandinika na mpitondra fivavahana na ireo raiamandreny eto amin’ny firenena toy ny CFM sy raiamandreny anaty rafitra nentim-paharazana maro.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap