airtel

Politique

07-juin-2023

Politique

Fanatsarana ny fitondrantenan’ny mpanao politika

Sample post image

Tokony hisy fampiharana hita maso, hoy ny Perfect Madagascar

07-juin-2023

Naneho ny heviny mikasika ny fanaovan’ny mpanao politika sonia ilay “Charte de bonne conduite’’ na fanatsarana ny fitondran-tenan’ny mpanao politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana Rtoa Sylvia Ranaivojaona, filohan’ny fikambanana Perfect Madagascar omaly. Nambarany fa tena mety ny fanaovana izany mba hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena mandritra ny fifidianana. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia tsy tena hita taratra loatra ny fampiharana izany eto amintsika fa zarizary fombafomba fotsiny izany ho an’ny sasany. Mbola misy hoy hatrany Rtoa Sylvia Ranaivojaona ireo mpanao politika manao fihetsika mihoampefy... Antso avo araka izany no hataony amin’ireo mpanao politika mba hahafahana tena mampihatra izany marina. Ambonin’ny lalana ny « charte » hoy izy satria ilay saina nanaiky sy ny tanana nanasonia mihitsy no tsy maintsy manaja izany ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Mpanao politika maromaro toy ny solontena avy amin’ny antoko HVM, ny TIM andro vitsivitsy lasa izay no nikaondoha sy nanaiky fa hanatanteraka io charte io teto amintsika.
Pati
Legende : Ambonin’ny lalàna ny « charte », hoy Ramatoa Sylvia Ranaivojaona ka tokony hajaina
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap