izay hikatona amin’ny 31 janoary izao. Raha ny antontan’isa voaray avy amin’ny CENI 7 959 971 ny isan’ny mpifidy nisoratra anarana hatramin’ny 02 janoary teo, izay manome 58,56% amin’ny tanjona nokendrena dia 13 tapitrisa any ho any. Any amin’ny volana may kosa no hikatona tanteraka ny lisi-pifidianana. Hatreto, mbola baraingo ny tetiandrom-pifidianana, ary any ho any amin’ny volana may na jona no hanao tolo-kevitra amin’ny governemanta ny CENI. Mbola handinika ireo pitsopitsony ilaina, ary hifandinika amin’ny governemanta mikasika ny tetibola hoenti-manatanterana ny fifidianana. Raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana, 30 andro farahafahakeliny ary 60 andro farahafabetsany mialohan’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny filoha am-perinasa ny fifidianana filoham-pirenena. Tokony ho eo anelanelan’ny 19 novambra hatramin’ny 19 desambra 2023 noho izany ny fifidianana filoha. Telo volana mialohan’ny fifidianana kosa farahafahakeliny no tokony hivoaka ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,