fa nohalavaina ho hatramin’ny 31 janoary 2023 ny fe-potoana fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, izay ahafahana manisa sy mampiditra ny mpifidy ao anatin’ny lisi-pifidianana, araka ny fangatahan’ny CENI. Efa nivoaka afak’omaly ny didim-panjakana ahafahana manohy izany. Nisy ny fahatarana tamin’ny fanombohana ny fanisana tamin’ny faritra sasantsasany teto amin’ny firenena noho ny fahatarana tamin’ny fahataran’ny takelaka fanisana tany amin’ireny faritra ireny, ankoatra ireo antony hafa efa nambaran’ny CENI. «Araka ity didim-panjakana vao nivoaka ity, ny 31 janoary 2023 no hifarana tanteraka ny fanisana mpifidy amin’ny fomba fitetezana tokantrano, fa ny fanisana mpifidy dia mbola mitohy aorian’io daty io, fa anjaran’ilay olona izay mahatsapa fa mbola tsy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy no mandeha manantona ny biraom-pokontany manatanteraka izany, misokatra mandra-panaovana ny famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana amin’ny volana janoary », hoy hatrany Atoa Jean Louis Andriamifidy. Mbola hitohy noho izany ny fitetezana tokantrano, ary nambara fa efa misy paikady hoenti-manatanteraka izany, hojerena ifotony ny hoe : aiza ireo tokony mbola hisoratra kanefa mbola tsy tafiditra, ary ireny no hohantonina. Mampirisika hatrany ny olom-pirenena mba hanoka-baravarana handray ireo mpanisa mpifidy tonga any aminy noho izany ny CENI izay nanamafy fa io no antoka hahafahana manatratra ny tanjona nofaritana. Raha ny tatitra nataon’ny CENI moa, dia 7 211 285 no efa voaisa nanomboka ny 01 oktobra, ka efa misy paikady nofaritana hanatratra azy, ary na mety tsy ho tratra aza dia heverina fa tsy hifanalavitra be amin’io amin’io tanjona 13 tapitrisa ny mpifidy anaty lisitra, hoy hatrany Atoa Jean Louis Andriamifidy. Nanamafy ny fanentanana ny olona havitrika, ary niantso ireo mpiara-miombon’antoka aminy toy ny antoko politika sy ny olom-pirenena samy hanamafy ny fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ny CENI.
TSY NIATRIKA KONGRESIN’ANTOKO IZANY
Momba ny resaka mikasika ny Filohan’ny CENI izay niely tamin’ny tambajotran-tserasera fa voatonona sy voalaza fa nandray anjara tamin’ny Kongresin’ny Antoko iray tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, dia nilaza ity Tale Kabinetran’ny CENI ity fa tsy marim-pototra izany. Teto Antananarivo nandray ny masoivohon’i Japon, avy eo nandray fiaramanidina niazo an’i Toamasina, ary omaly 22 desambra dia nandray anjara tamin’ny fanaraha-maso ny fomba fanaovana ny fanisana mpifidy any amin’ny faritra Atsinanana.
Legende : Atoa Jean Louis Andriamifidy, tale kabinetran’ny CENI
Toky R
Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena Mikambana, hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha
Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU
Tsy maintsy hisy hanaraby ny irak'Andriamanitra, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika!
Hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin'ny "Palais des Sports" Mahamasina izahay kandida ny zoma ho avy izao,
Miha mandroso ny fotoanan’ny fifidianana raha ho voatazona amin’ny 9 novambra ihany satria afaka iray volana roa volana eo dia higadona izany.
Distrika 2 ao amin’ny faritry vakinakaratra indray no notsidihin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina ny alahady 24 septembra teo.