nanomboka ny 01 oktobra 2022 hatramin’ny 31 desambra 2022, ary nohalavaina ho hatramin’ny afakk’omaly 31 janoary 2023. Raha ny antontan’isa azo tamin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI kosa, miisa 9 452 504 ireo mpifidy voasoratra anarana hatramin’ny omaly. Rahampitso zoma no hanao valan-dresaka amin’ny mpanao gazety hiresaka bebe kokoa momba iny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana iny CENI, ka dia andrasana izany ny pitsopitsony sy ny mety ho antontan’isa farany. Tsy tratra mazava ho azy ny tanjona 13 500 000 tapitrisa, ary na ny isan’ny mpifidy 10 tapitrisa mahery tao anaty lisitra tamin’ny taona 2018 aza tsy tratra. Tamin’ity anefa netsehina avokoa izay fomba rehetra nahafahana nandrisika ny olom-pirenena hisoratra anarana, satria hatramin’ny fitsarana mitety vohitra nahafahana nanome kopian’ny sora-pahaterahana ahafahana mahazo karapanondrom-pirenena. Somary mahagaga ihany hoe: inona no antony? Teo ny mety ho tsy fahampian’ny fanentanana fa toa mampitombina ny ahiahy sy ny fifampiampangana fa nisy anarana niverimberina na “doublons” ve ny tamin’ny 2018 fa tany amin’ny 8 tapitrisa no tokony ho isan’ny mpifidy? Ankoatra ny antoko politika rahateo, dia nisy firaisamonim-pirenena naneho an’io. Na nisy aza ihany koa aza ny antoko nanao fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana tamin’ny lisi-pifidianana, dia tao ny naneho fa voasembatsembana tsy afaka nanao ilay hoe: “animation de la vie politique” na fanentanana momba ny fiainana ara-politika eto firenena, araka ny lalána fehizoro faha-55 andininy faha-3, 18-2002-008. Misy ireo antoko niampanga ny fitondrana noho ankehitriny noho ny fanakanana sy fanembatsembanana samihafa ny hetsiky ny antokony. Tsara ihany anefa ny mampahatsiahy sy manamarika, fa tsy fikatonan’ny lisi-pifidianana ny 31 janoary teo, fa ny fitetezana tokantrano no tapitra. Mitohy kosa ny fahafahan’ny olom-pirenena misoratra anarana eny amin’ny fokontany mba ho tafiditra anaty lisitry ny mpifidy.
Toky R
9 452 504
Taitra ny ankamaroan’ny mpanara-baovao omaly nahita ny sarin’ny zava-misy teny amin’ny HCC na Fitsarana avo
Nanamafy ny mpandrindra Nasionalin’ny HVM izay efa Filoham-panjakana teo aloha Atoa Rivo Rakotovao,
Nolazain’ny tambazotran-tserasera Twitter fa tao Paris, Frantsa, omaly 30 novambra 2023,
Mahitsy foana ny fomba fijerin’ny Kristianina manao politika,
Ambohipihaonan’ny Etamazoro politikan’ny mpanohitra ny omaly tetsy amin’ny Foiben-toeran’ny
Nanamafy ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko omaly, fa tsy hanaiky mihitsy izay voka-pifidianana eo,