raha ny fanazavan’ny mpampakatenin’ity vaomiera misahana ny fifidianana eto amintsika ity, Soava Andriamarotafika. Ny fantatra fotsiny, hoy izy, dia efa mivory mikasika izany ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. 8.900.000 isa hatramin’ny maraina teo (TTF: omaly maraina) ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy. 66% any izany raha atao isan-jato. Marihina fa mbola amin’ireo karne misy ny takelaka misy ny anaran’ireo olona nosoratana anarana no mbola tavela eo anivon’ny ratsa-mangaikanay any amin’ny kaominina. Ny fampiakarana ireo any amin’ny ratsa-mangaika amin’ny distrika no itadiavam-bahaolana amin’ity herinandro ity. Eo ny fahalaviran’ny elanelan’ny kaominina sy distrika noho ny haratsian’ny lalana, indrindra, nampian’ny tranga tato anaty 3 andro sy lalana tapaka.13.500.000 isa no nofaritanay. Miainga amin’ny isan’ny mponina manerana an’I Madagasikara io, izany hoe, tombanana ho 27 tapitrisa. Manome antsasaky ny isan’ny mponina no tokony ho isan’ny mponina feno 18 taona, raha ny fenitra iraisam-pirenena, hoy ny mpahay azy. Ny ezaka ataon’ny CENI dia ny hampiditra ny anaran’ireo olona feno 18 taona mbola tsy very zo ao anaty lisitry ny mpifidy. Ilay olona mihitsy no manatrika mpanisa mpifidy miaraka amin’ny kara-panondro dia mameno takelaka miara-manao sonia eo. Iny no raketina anaty solosaina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,