Voalaza fa nisy ny hafatra na “tract” niparitaka momba ny hisian’ny fidinana an-dalambe, fandoran-javatra, fandrobana,… Nanaitra ny fisian’ny andiana mpitandro filaminana zavon-tany tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely sy ny manodidina ny alin’ny zoma teo, ary nitohy ny sabotsy ny fametrahana miaramila, tahaka ny fahita etsy amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo. Tena misy ve ny fikasana hanao izany sa mety ho fomba fiady politika hoenti-mipetraka ho lasibatra na tetika hoenti-mandoto ny mpanohitra ohatra? Tsy mbola nisy mpanao politika voasambotra aloha hatreto na efa nisy aza ny ritsoka nandeha herinandro na roa herinandro teo izay fa ho avy ny fisamborana. Na izany aza, nosamborina i Sylvia Randriantsotsy na Foutsie Tsotsy no hahalalan’ny maro azy eo amin’ny tontolon’ny tambajotran-tserasera. Isan’ireo mpisintona lakolosy na “Lanceurs d’alerte” eny amin’ny tambajotra ara-tsosialy. Ireo namana akaikiny kosa nitondra fanamarihana, fa nampanantsoina tany amin’ny Toby (Toby Ratsimandrava?), ary tao no nalain’ny zandary nakany Fiadanana, tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany harivan’ny zoma lasa teo. Fiantsoana ny miaramila hikomy na “incitation à la révolte”. “Raiso amin’izay io fitondrana io ry Foloalindahy a! Ampy kosa izay!!! Matoa aho mahafantatra ny antony nandavan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ilay andraikiny dia mahafantatra ihany koa ianareo. Mandà ny adidy ihany koa ianareo raha tsy raisinareo ny andraikitra… fa rehefa tsy handray ianareo dia tonga dia tifiro daholo ny Malagasy hatramin’ny fianakavianareo. Ho an’ny tanindrazana!!!”, hoy ny fanehoan-keviny tao amin’ny tambajotran-tserasera. Anio no voalaza fa hiakatra fampanoavana ny tenany ka andrasana izay mety ho vokany. Ny fanontaniana azo hapetraka na izany na tsy izany dia ny hoe: vehivavy tokana tanam-polo tokoa ve dia afaka ny hahabaiko sy haharesy lahatra ny tafika amin’izay karazana antsony izay? Raha toa ka hanao izany tokoa ve ny miaramila dia noho ny antson’I Sylvia Randriantsotsy amin’ny maha olom-pirenena azy sa noho ny faharesen-dahatra fa tena tokony handray andraikitra izy ireo? Henjakenjana ny vesatra raha raisina amin’io nitondrana azy io, ka samy miandry izay ho tohiny ny rehetra. Tsara ny mampahatsiahy fa isan’ireo mpisintona lakolosy manatsikafona ireo zavatra hitany fa tsy mety eto amin’ny firenena ny tenany, ka anisan’ny nafana ny fanatsikafonany ny raharaha famotehana ny Air Madagascar amin’ny maha mpiasa tao sy ny fitantanana ny Madagascar Ailines izay hitsikerany matetika ny mpitantana dia ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha? Efa nandrasana kendritohina sy hatao sorona mba ho fampitandremana ny hafa ve I Foutsie Tsotsy eo anatrehan’izao toe-draharaha politika mangotraka izao? Ambony be ve ny ambana politika sy tsy fahamarinan-toeran’ny Fitondrana ka ireny ka mandeha ny don-tandroka sy fandemen-tsaina? Andrasana ny tohiny, fa ny sary miseho dia mafanafana ny toe-draharaha! Tsy vao sambany tamin’ireo mpaneho hevitra amin’ny Facebook nosamborina I Foutsie Tsotsy, fa efa betsaka ireo naiditra am-ponja tao anatin’izao fitondrana izao ka asa na ho afa-bela na hampanarahana ny dian’ireo hafa?
“Tena mino ve ianareo fa ny fampitahorana foana no vaha olana ho an ny firenentsika? Nahoana no tonga dia nidiana ny namana mpampita vaovao (Foutsie, Mahery Lanto, Stanley, Berija) nefa ny tsaho mivoaka eto isan andro firy? 10 mahery ny maty tamin ny lalaon'ny nosy. Aiza ny fandihadiana? Fikasihan tanana teny ankatso. Aiza ny fanadihadiana? Ny fampitahorana sy ny fanakiviana ireo marina no tanjony ka hampandresy mora foana ireo vitsy an'isa”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Kandidan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana Tahina Razafinjoelina.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.