Na ny mpikatroka ao anatin’io Antokon io aza tsy nahalala, kanefa mbola tavela ao avokoa ny taratasy rehetra sy ireo "Archives "hoan’ny antoko HVM, raha ny filazan’ny Sekretera Jeneraliny Alain Désiré Rasambany. "Fanjakana toy ny ahona no misy eto ary inona no ao ambadik’izao ?" hoy izy. Nilaza fa tsy miditra amin’ny antony ara-pitsarana ny antoko saingy hangataka fanazavana amin’ny lehiben'ny fampanoavana sy ny BIANCO. Nanomboka tamin’ny 2018 no nisokatra ny QG ny HVM teny Andraharo izay vao avy nanao fidirana politika tamin’ny sabotsy 15 febroary 2025 teo izy ireo. Voalaza fa an’i Mbola Rajaonah ity toerana ity, ary mety mbola hisy fananana hafa hogejaina. Ity mpandraharaha ity izay nosamborin’ny Fitondrana Rajoelina ny 13 febroary 2019 izany hoe : 6 taona lasa izay ! Misy ny loharanom-baovao milaza fa tokony hivoaka ny fonja i Mbola Rajaonah amin'ny 25 aprily izao. Itadiavana vesatra handetehana azy indray toy ny resaka harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna na « avoirs illicites » ka mandeha indray ny fangejana ny fananany izay anisany io trano nampiasain’ny HVM eny Andraharo io? Raha hiverenana, voaheloka higadra 5 taona sy lamandy 27 miliara ariary (27.177.963.488 ariary) i Mbola Rajaonah araka ny didim-pitsarana navoakan’ny PAC (Pôle Anti-corruption) volana mey 2022 rehefa nenjehina ho nanodinkodina volam-panjakana sy nanao heloka tamin’ny fadin-tseranana teo anelanelan’ny 2014-2018. Tokony ho nivoaka ny febroary 2024, saingy mbola tsy afaka hatramin’izao. Nilaza ny mpisolovava azy tamin’izany Maitre Eric Rafidison ny febroary 2024 hoe : « Tokony hivoaka amin’ny 14 febroary ho avy izao ny olona arovako, nefa voalaza fa misy raharaha miisa 36 indray mbola anenjehana azy. Efa nogadraina 5 taona anefa izy tamin’ny raharaha mahakasika azy, ka ho gadraina 5 taona in-6 na 180 taona ve izany i Mbola Rajaonah ? » Nanazava ity mpisolovava ity tamin’izany, fa tsy afaka ampiasaina anenjehana azy intsony ny andininy faha-301 mahakasika ny lalàna mifehy ny ladoany eto amintsika, satria efa voatsara mialoha ary efa voaheloka tamin’izany ny olona arovany, izay vao nitory teny amin’ny PAC ny Ladoany Malagasy. Tsy mety afa-bela, fa misy dosie hafa hatrany vao misy resaka fa tokony ho efa hivoaka. Tsy mifankaiza amin’io ny an’ny Minisitra teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia izay nohelohina 44 volana an-tranomaizina noho ny fiampangana azy ho nanakarama olona hanakorontana teny Ambohipo ny Volana jolay 2020. Efa nahazo famelan-tsazy in-droa dia ny volana jona 2021 sy ny volana jona 2022, raha ny fanazavana efa nentin’ny mpisolovava. Tokony ho nivoaka ny fonja tamin’ny janoary 2023, saingy milentika any hatramin’izao, nitovana ny dosie,… Dia io mitohy mandrak’izao io ny fitazonana an’i Mbola Rajaonah sy Rolly Mercia ! Mety tsy ho afa-bela raha mbola i Andry Rajoelina sy ny ekipany no mitondra. Tsy an-kitsitsy ny fandetehana !
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny