airtel

Politique

08-mai-2023

Politique

Fandinihina lalàna eny Tsimbazaza Kajy politika no mahamaika fa tsy tombotsoam-bahoaka

Sample post image

Ao anatin’ny fahefam-panjakana mpanao lalàna iray amin’ireo fahefana andry iankinan’ny Repoblika ny Antenimierampirenena ahitana ireo depiote 151 mandrafitra azy?

08-mai-2023

Depiote firy no mba mahavita mandrafitra sy manolotra volavolan-dalàna tena mifandraika amin’ny filàn’ny vahoaka? Ny sary mitranga ankehitriny dia toa mitady ho lasa mersenera politika hiaro ny tsy fahombiazan’ny governemanta ny ankamaroany? Betsaka anefa ireo lalàna tokony havaozina na soloina tanteraka mihitsy… Tena mijery ny tombotsoam-bahoaka sy ny firenena ve ireo solombavambahoaka Malagasy? Ny zavatra tsikaritra, any amin’ny lalàna feno kajikajy politika hanamafisana ny seza amam-pahefana na mety hahazoana tombotsoa goavana an’olom-bitsy no mahamaika. Betsaka ny sehatra mila fanatsarana ny lalàna, fa andeha handray ohatra vitsivitsy izay heverina fa isan’ny tena ain-dehiben’ny firenena kanefa hamaivanina isika.

Maro ny depiote mpingitrika
MANDEHANDEHA HO AZY…
“Firy amin’ireo depiote no mahay mamaky lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana? Iray andro roa andro mandalo ao dia lany, kanefa raha ny lalàna tokony ho any amin’ny 15 andro. Izaho tamin’ny fotoanan’ny teo aloha Hery Rajaonarimampianina tena niresaka tamin’ireo depiote ireo hoe: ahoana ny famakiana an’io, tokony hodinihana sy jerena satria aim-ben’ny firenena io resaka lalàm-pifidianana io”, hoy Atoa Serge Imbeh Jovial mpahay toekarena sy ara-pitantanam-bola ny volana martsa teo. Raha ny fanazavany, sora-bola fa tsy vola ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ambany be ny “taux de décaissement”, saingy toa tsy maharototra ny ankamaroan’ny depiote. Raha mampahatsiahy ny fandaniana ny LFR farany tamin’ny jona 2022, dia depiote 87 no tonga nandany, ary lany 100%. Tena nahafahana nitantana ny firenena ve ilay LFR raha tarafina amin’izao olana goavana samihafa mianjady izao? Rehefa zohiana, fanarahan-kefa ny governemanta no betsaka, ary izay arotsaka ao matetika lany satria maro an’isa ny avy amin’ny Vondron’Antokon’ny Fitondrana, indrindra fa ireo lalàna ho an’ny tombotsoa ambonin’ny fitondrana.

 Firy amin’ireo depiote no mahay mamaky lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, hoy ny mpahay toekarena Serge Imbeh Jovial ?
LALÀNA MIKASIKA NY FIFEZAHANA NY HARENA ETO ?
Voalazan’ny manam-pahaizana hatrany fa manodidina ny 7 miliara dolara isan-taona ny tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ny resaka harena an-dranomasina. 3 tapitrisa na 4 tapitrisa dolara anefa no mba miditra satria tena tsy misy ny fieritreretana ny tombotsoa ambonin’ny firenena. Mandalo eo anivon’ny Antenimierampirenena ny resaka samihafa toy ny resaka jono. Tsy afaka manao lalàna sy tolo-dalàna ve hifehezana ny harena na ny famoronana asa sy harena fa tsy ho varoboba sy gaboraraka? Mangataka isika FEC ohatra manodidina ny 60 tapitrisa dolara, kanefa misy 7 miliara dolara amin’ny ranomasina fotsiny no matory. Ny harena mivoaka antsokosoko, isika mangata-bola lava ka na ny sehatra iraisam-pirenena aza leo satria tsy misy tena zavatra vanona. Dinihina ary mety holanian’ny Antenimiera izao ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Tena mipetrapetraka ve ny fiarovana ny tombotsoam-pirenena ao anatin’izany raha tarafina amin’ny adihevitra mandeha ? Tena hihatra ve sa hodikaina tahaka ny fitakian’ireo kaominina 25 tao anatin’ny Faritra Alaotra sy Atsinanana fa natelin’ny Fanjakana foibe ny anjara tamberim-bidy na « Ristournes » tokony ho azy avy tamin’Ambatovy na efa voafaritry ny lalàna aza ? Inona no andraikitra mba noraisin’ny Antenimieram-pirenena na ny Antenimierandoholona izay lazaina fa mpiahy ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ? Mbola harena goavana ireo Nosy bodoin’I Lafrantsa na “Iles Eparses” izay nanaovan’ny Filoha ankehitriny fampanantenana fa ho azo mialohan’ny 26 jona 2020. Tena niady mafy an’ireo ny parlemanta Frantsay fa mba nanao ahoana ny antsika? Moa mba nisy na tolo-dalàna aza noraisin’ireo Antenimiera? Fihetsiketsehana politika niaraha-nisotro tambavy CVO sy firedonana hiram-pitolomana no nisy fa raha izay fanolorana lalàna momba izany toa aotra ?

 Tokony hampidi-bola be amin’i Madagasikara ny harena anaty ranomasina saingy…
TENA VOADINIKA TSARA VE NY LALÀNA MOMBA NY FAMPIANARANA ?
Misy fomba fitenin’I Nelson Mandela fahavelony hoe: “Ny fampianarana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra ahafahana manova izao tontolo izao”. Tao anatin’ny Fanjakana telo aloha dia nisy ilay hoe: PSE (Programme Sectorielle de l’Education) nisy dingana vita sy napetraka niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka. Mety nisy ny fahatsarany, mety nisy lesoka,… Toa natao fanandramana anefa ny fampianarana, ka rehefa tonga ity fitondrana ity dia namafa izay teo, ka adihevitra ohatra ny fanafoanana ny fanadinam-panjakana CEPE. Mety ho tsara, mety ho ratsy io fanovana io fa ny nahavalalanina dia ny hoe: Depiote 13 monja tamin’ny 151 no nandany ny fanovana izany ny 02 desambra 2022, izany hoe: olona 13 no nanapaka mikasika ny hoavin’ny zanaka Malagasy an-tapitrisany, saingy nankatoavin’ny Filoham-pirenena hanan-kery ny 30 janoary 2023. Ohatra iray io, fa matetika no mitovitovy isa amin’izany ny depiote manapaka lalàna ao Tsimbazaza. Ampahany sy tena akaiky ireo, fa betsaka ny sehatra mila fijerena akaiky eto, indrindra fa ny lafiny fananan-tany, fitsarana, fandraharahana, sosialim-bahoaka, fihariana amin’ny endriny maro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-mai-2024

Ao anatin’ny kihon-dàlana faramparany amin’ny fampielezan-kevitra isika amin’izao fotoana izao,

Card image cap
24-mai-2024

Miha milentika amin’ny lafiny maro ny firenena. Mitombo ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy noho ny tsy fahombiazan’ny mpitondra.

Card image cap
24-mai-2024

Hirarakopana indray atsy ho atsy ny fivoahana any ivelany ataon’ny Filoham-pirenena

Card image cap
23-mai-2024

Nanomboka omaly alarobia 22 mey ny andrana ho an’ny fitaterana an-tariby na TPC na «

Card image cap
23-mai-2024

Nandefasan'ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina na ny MSK taratasy fakatonana ihany

Card image cap
23-mai-2024

Vaovao politika nafana tao Manakara ny nanambaran’ireo kandida roa dia i Tidjy Wai N°5 sy Tanjona N°2

Card image cap