airtel

Politique

08-juin-2023

Politique

Fandrafetana lisi-pifidianana itarina lava Sao dia mba kajy hampandresena kandidam-panjakana ?

Sample post image

Mitohy ny fanalavam-potoana amin’ny fahafahana misoratra anarana anaty lisi-pifidianana, raha ny zava-misy amin’izao.

08-juin-2023

Raha hiverenana, nanomboka ny 01 oktobra 2022 ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, ka napetraka ho tanjona ny hahavoasoratra mpifidy 13 500 000 eo hatramin’ny desambra 2022, saingy zara raha nisy 7,2 tapitrisa teo rehefa nifarana. Voatery nohalavaina hatramin’ny 31 janoary 2023, saingy mbola tsy tratra. Nitohy hatrany, ka tany amin’ny fikatonana vonjimaika ny 10 aprily, dia 9 623 662 ny lisitra nambara fa voadio rehefa nesorina ny 66 313 anarana na karapanondro nambara niverimberina sy ny 379 161 nahitana tsy fahatomombanana toy ny daty nahaterahana, laharan-karapanondro tsy feno, na tsy fahatomombanana hafa.9 623 662 ny mpifidy tamin’io, raha 9 914 262 ny tamin’ny 2018, izany hoe: mbola latsaka 2,9% mitaha ny fifidianana teo aloha io teo. Latsaka 290 555 na -8,7% ny isan’ny mpifidy ao anatin’ny Faritanin’Antananarivo mitaha ny tamin’ny 2018, izay miampy kely dia ny elanelam-baton’ny Kandida Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana tamin’ny 2018, izay manodidina ny 2,5 sy 2 tapitrisa teo. Hatraty amin’ny 31 may 2023 mbola 10 358 575 tapitrisa. Raha toa ka amin’ny 10 jona no tokony hifarana tanteraka ny lisi-pifidianana, dia mbola misy karazana fanavalam-potoana 20 andro indray, hahafahan’ireo mbola tsy nisoratra anarana anaty lisitra.
TSY MAHATOKY TENA, MBOLA MANAO KAJY ?
Marina fa tanjona ny hampisitraka ireo olom-pirenena hisoratra anarana kanefa sao mba misy tetika sy kajy politika avo lenta ity fanavalam-potoana lava ity aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana ity? Ny olona entanina hisoratra anarana, fa ny datim-pifidianana sy didim-panjakana hanaikana ny mpifidy kobonina tsy havoaka ka sao noho ny mety ho tsy fahatokisan-tena sy mbola manao ny kajy avo lenta hahazoan’ny kandidam-panjakana no hampitarazohana azy ? Sady tsy te hanova lalàm-pifidianana no tsy te hamoaka tetiandro ! Inona ihany koa no tsy maintsy hanenjehana 13,5 tapitrisa? Marina fa eo ilay hoe: arakaraky ny fitombon'ny mponina no tokony ho fitomboan'ny isan'ny mpifidy. fa ny olona angaha moa azonao terena, tsy misy lalàna manasazy ny tsy fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana eto Madagasikara. Endrika iray maneho fa leo politika, diso fanantenana,… ny olona sasany. Mety poizina ho an’ny firenena izany satria miraviravy tànana ny vahoaka, kanefa tsy ny fanalavam-potoana hisoratra anaty lisi-pifidianana no vahaolana, fa ny fanatsaharana ny famitaham-bahoaka lava ataon’izay lany.
SAO MBA HOSORATANA AMINA KANDIDA IRAY ILAY 3 500 000? Andeha horaisina hoe 13 500 000 ny voasoratra anarana, manodidina ny 50% no tahan'ny fandraisana anjara hatrizay, izany hoe: 6750000 raha raisina amin’io. Antsasak’io mahery kely izany hoe: 3 500 000 any ho any dia lany filoham-pirenena. Eo ilay mety hampiahiahy hoe: fifandrifian-javatra ve ilay tanjona hampiakarana azy 3500 000 mitaha ny tamin’ny 2018? 10 tapitrisa ny mpifidy tamin’izany, 2500 000 tapitrisa tamin’ireo no nahalany ny kandida Rajoelina, ny ambiny izany matoa nifidy kandida hafa na tsy nandeha nifidy mihitsy dia tsy resy lahatra taminy. Iny tamin’ny 2018 iny no tsara indrindra tamin’ny isam-bato azony, ary heverina hoe tsy hifidy Rajoelina ny maro an’isa anatin’ny 10 tapitrisa matoa efa tsy nifidy azy sy tsy nandeha nandatsa-bato, eny fa na ireo 2,5 tapitrisa nifidy azy aza betsaka no votsotra, araka ilay tenin’ny depiote IRD teo aloha Tody Arnaud hoe: ireo nifidy azy diso fanantenana dia efa ampy tsy hahalany an-dRajoelina intsony. Eo no mampipetraka ny ahiahy hoe: sao mba misy tetika politika avo lenta hakana “marge” sy efa mipetrapetraka ho ana kandida iray ilay 3 500 000 na izay amboniny tadiavina hihazakazahana hanaovana fanalavam-potoana io ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

Card image cap
17-avril-2024

Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

Card image cap
16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap