Raha tsy misy ny fiovana, hitokana fotodrafitrasa manara-penitra any Betafo ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny firenena ny 26 jona izao. Etsy andaniny, mitaraina ireo mpampianatra fonksionera sy ireo mpiasam-panjakana samihafa fa teren'ireo manam-pahefana sy olom-boafidy eto Betafo hividy polo 15 000Ar ary kasikety 10 000ar volomboasary hoentina itsenana ny filoha, araka ny fitarainana avy amin’ny mpiasam-panjakana any an-toerana. Tsy ny fotodrafitrasa sy fitokanana no tsy sitrak’izy ireo fa ny tery vay manta amin’ny fanerena hiala vola sy hianjaika ny loko politikan’ny fitondrana, raha ny fanamarihana. Tsy vao sambany moa ny endrika fanerena ankolaka na mivantana ny mpampianatra na mpiasam-panjakana hafa hisalotra ny loko politikan’ny fitondrana. Betsaka no mitaraina, saingy toa tsy afa-manoatra satria matahotra antsojay. Ny tany amin’ny faritra Diana ohatra, dia nisy hatramin’ny hoe: fanatsoahana ny moto ampiasain’ny mpampianatra noho ny tsy fanekena hatao fitaovana politika, tahaka izany koa ny fandrahonana famindran-toerana. Ireny iaraha-mahita ireny ny fandokoana volomboasary rehefa mizara ny fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra FRAM izay voaray ho mpiasam-panjakana,… Tsiahivina foana fa ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana no milaza mazava fa ny Fanjakana no miantoka ny tsy fiandaniana ara-politika amin’ny fitondran-draharaham-panjakana, tafika, fitsarana, fanabeazana sy fampianarana. Asa raha mifanaraka amin’izany ity fiezahana hampisalotra volomboasary lava ny mpiasam-panjakana ity ankoatra ny fandokoana samihafa?
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.