tamin’ny alalan’ireo mpisolovava azy ny mba hanemorana ny fifidianana. Ny andininy faha-47 amin’ny lalàmpanorenana, dia milaza fa raha misy fahafatesana kandida na zavatra tsy azo hihodivirana (en cas de force majeure), dia tsy maintsy mandray fepetra. “Ilay tranga faharoa no zava-misy, vokatry ny tifitra nahazo azy nidona tamin’ny lohany. Mazava ho azy fa tokony hihemotra ny datim-pifidianana”, hoy ny mpisolovava Eric Rafidison. Nanome taratasim-pahasalamana 30 andro azy ny mpitsabo raha ny fanazavan’I Andry Raobelina omaly izay tonga niray fo taminy ny Firaisankinan’ny kandida. Afaka mandeha fa vao mandeha kely dia reraka, ny maso no misy voa, ary misy marary ny ilany amin’ny loha. Amin’ny maha olombelona, dia tsy maintsy mandeha mitsabo tena. Tsy afaka ny hitovy lenta amin’ny kandida rehetra, ary nanipika fa tsy avy aminy no nahatonga izao, ka nametrahana io taratasy io amin’ny HCC mba hampihatra ny lalàmpanorenana. Nisy moa ny loharanom-baovao tsy ofisialy azo nilaza tsy nomena alalana ny fiaramanidina manokana saika hitondra io kandida io, ka voatery nandeha tamin’ny sidina mahazatra.
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa