airtel

Politique

03-mars-2023

Politique

Fanendrena Ambasadaoro Hampiteraka an’Ambatobevohoka i Yvette Sylla ?

Sample post image

An-dàlana ny dingana fanendrena masoivoho any ivelany, ary mbola tsy tara, raha ny firesaky ny Minisitry ny raharaham-bahiny vaovao Rtoa Yvette Sylla omaly, nandritra ny fanamarihana ny faha-63 taonan’ny

03-mars-2023

fahaleovantenan’I Japon omaly. Nambara fa efa fantatra ny anaran’ireo hotendrena sy ny toerana handefasana azy, saingy mbola miandry ny fankatoavana any amin’ireo firenena hanendrena azy. Tsy afaka mahafantatra avy hatrany isika hoe : tonga dia hamaly sa mbola handinika ireny firenena ireny, hoy hatrany io Minisitra io, izay nanamarika fa dingana tsy azo hihodivirana izany. Ny laharam-pahamehana dia hametraka ireo ambasadaoro sy masoivoho any amin’ireo firenena izay misy masoivoho sy kaonsilàntsika. Hanana anjara asa hampisandrahaka sy hampitombo ny lazan’I Madagasikara any ivelany ireo masoivoho, ary afaka ihany koa hisintona ireo mpampiasa vola ho avy eto Madagasikara, hitondra ny feon’I Madagasikara, hoy hatrany io Minisitra io. Nanamafy hatrany izy fa isan’ireo laharam-pahamehana ho an’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny fanendrena masoivoho, araka ny efa nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina nandritra ny fampahafantarana ireo Minisitra vaovao ny 23 febroary teo teny Iavoloha. Nambara mihitsy aza tamin’izany ny hoe hisy ny fanendrena masoivoho vao mandeha ny filankevitry ny minisitra amin’ny herinandro, saingy tsy nahitana izany aloha ny alarobia teo. . Amin’ireo toerana 22 izay misy fisoloana tena an’i Madagasikara, zara misy 4 no tantanin’ny Ambasadaoro dia ny any Frantsa, Chine, Maorisy, ary ny any amin’ny Vondrona Eoropeanina any Bruxelles. Minisitra ny raharaham-bahiny fanimpitony io milaza io indray fa handeha ny fanendrena ka asa hoe : hahavita hampiteraka an’Ambatobevohoka tokoa ve fa tamin’ny andron’i Patrick Rajoelina no efa nolazaina fa 303 ireo hisafidianana ? Mbola misy azo antenaina ve ato anatin’ny 6 volana farany hitondran’ny Filoha ankehitriny?
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap