airtel

Politique

12-déc-2023

Fanenjehana ara-politika

Hisesy ny raharaham-pitsarana

Sample post image

Hisesy hiakatra eny amin’ny Fitsarana ireo mpanao politika sy mpitarika sendikaly,…

12-déc-2023

izay tondroin’ny Fanjakana ho mpanakorontana, manohintohina ny filaminana anatin’ny firenena, niantso ny miaramila hikomy,… Hatramin’ny mpanao gazety no tratry ny famotorana lalina. Taorian’ny fampanantsoana azy ny 8 desambra lasa teo, izay nohadihadiana nandritra ny ora 4 mantsy dia niverina nohadihadiana teny amin’ny Sampana misahana ny heloka bevava teny Fiadanana indray ny mpanao gazety Gascar Fenosoa ny andron’ny omaly. Ity farany izay voarohirohy ho niantso ny tafika hikomy nandritra ny fandaharana nivahinianan’i Christian Tabera tao amin’ny Real TV ny 4 desambra lasa teo. Naharitra adin’ny valo teo ny fakana am-bavany, ka tamin’ny 4 ora tolakandro teo no nivoaka tao amin’ny sampana misahana ny heloka bevava teo Fiadanana i Gascar Fenosoa. « Dossier à transmettre » na ampitaina eny amin’ny fampanoavana ny fanadihadiana natao azy, raha ny tatitry mpisolo vava Maitre Eric Rafidison. Mbola baraingo izany raha hiakatra fampanoavana izy na tsia, fa ny dosie no miampita mety hilaina amin’ny raharaha mahakasika ny famotorana azy, izay mifandraika amin’ny fanenjehana an’i Tabera Christian, izay voalaza fa efa nosamborina avy eo navotsotra. Ankoatra ny mpisolovava dia isan’ny niaraka hatrany tamin’i Gascar Fenosoa ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Monica Rasoloarison.
HISESY HIAKATRA FITSARANA
Andrasana ny tohiny, ary andrasana tahaka izany ihany koa ny momba an’i Christian Tabera, izay efa nanaovan’ny Fikambanan’ny Sud Est fanairana ny fikitikitihana azy. Ankoatra ireo, dia hisesy eny amin’ny Fitsarana ihany koa anio 12 desambra ny raharaha fanenjehana ny Pr Ravelonirina Sammy Grégoire izay henjehin’ny Fanjakana ho manohintohinana ny fiandrianam-pirenena, ary tahaka izany ihany koa ny Filohan’ny Randrana Sendikaly Atoa Barson Rakotomanga. Izy mirahalahy ireo izay notazonina natory teny Fiadanana ny 23 novambra, ka nanao ranolava ny fitakiana ny fanatsaharana ny fanenjehana. Tsara ny mampahatsiahy, fa isan’ny nanatsikafona ny heveriny fa tsy fanarahan-dalàna misy, toy ny fanapahan-kevitry ny HCC tamin’ny fanomezam-paherana ireo nisolo an’Atoa Andry Rajoelina ny SECES ankoatra ny fanatsikafonana ireo heveriny fa tsy fanarahan-dalàna sy fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena, saingy fanenjehana no setriny. Ankoatra azy ireo, anio ihany koa ny fitsarana ny depiote Fetra Ralambozafimbololona izay nosamborina teny Mahamasina ny 08 novambra, ary notazonina 10 andro teny Fiadanana tahaka ny efa natao tamin’ny Sektretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro izay natao sambo-dokatra teny Andohan’Analakely ny 02 oktobra, andro voalohan’ny nanaovan’ny Firaisankinan’ny kandida hetsika fanoherana ny fifidianana, ny fandikan-dalàna, fanitsahana ny fiandrianam-pirenena,…
FANDEMEN-TSAINA AVO LENTA
Nanao ranolava ny fampiasan-kery, fisamborana, fandratrana tao anatin’ny raharaham-pifidianana. Olona maro no nosamborina sy naiditra am-ponja, ka misy ireo efa notataovana sazy mihantona 1 taona sy lamandy 3 hetsy ariary, izay heverina fa karazana fampitandremana ankolaka an’ireo mieritreritra fa mbola hanohy ny tolona eo anatrehan’ny mety ho mbola hisiana hetsi-panoherana. Tsara ihany koa no mampahatsiahy, fa kandida miisa 2 no voabeda nanaovana fanadihadiana teny amin’ny mpitandro filaminana tao anatin’ireny zotram-pifidianana ireny dia Atoa isany Jean Jacques Ratsietison sy Paraina Auguste. Tsy mijanona eo, fa mbola mandeha ny fampitandremana maro samihafa, toa te hilaza fa izay mianakendry manohintohina ny fitondrana eo dia efa any am-ponja ny ilan-tongotra na koa ho sahirana amin’ny fanenjehana sy famezivezena eny amin’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Izay ve no heverina fa hampipetraka ny fahamarinan-toeran’ny mpitondra sy ny hampilamina ny firenena taorian’ny lonilony lalina nialoha sy nandritra ary amin’izao aorian’ny fifidianana izao?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap