airtel

Politique

23-mai-2024

Fanesoana vahoaka, haingo ambony tsikoko

Raikitra ny fampiderana teleferika…

Sample post image

Nanomboka omaly alarobia 22 mey ny andrana ho an’ny fitaterana an-tariby na TPC na «

23-mai-2024

Lingilingy » eto Antananarivo, tamin’ny alalan’ny fandefasana voalohany ny cabine ho an’ny « appareil » iray, ho an’ny zotra mampitohy an’Anosy-Soarano. Tratra ny tanjona raha ny tetiandro napetraka niarahana tamin’ny filoham-pirenena raha ny filazan’ny SEVNH na ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Cabines 04 avy hatrany no niara-niainga teo amin’ny G1 Anosy. Haharitra andro vitsivitsy ny andrana ny « cabine » sy ny fikirakirana samihafa ary natomboka amin’ny hafainganam-pandeha 4 m/s fa hahatratra 22km isan’ora rehefa tena miasa ireo cabines 27, araka ny seraseram-panjakana. Nolazaina fa indray fa hamaha ny olan’ny fifamoivoizana sy hanena ny fahalotoan’ny rivotra ny TPC ary tsy manelingelina velively ireo toerana rehetra handalovany ny teleferika. Hanomboka tena hiasa mialohan’ny 26 jona io raha ny serasera. Nolazaina fa natao hoan’ny rehetra ny TPC ary efa miomana sahady isika amin’ny fandraisana ny orinasa hiara-hiasa amin’ny fanjakana hitantana sy hikojakoja azy, hoy ny serasera. Isan’ny tetikasa nahazoan’ny Fanjakana Rajoelina kihana maro ity teleferika ity, ary haingo ambony tsikoko eo anatrehan’ny fahantram-bahoaka, ny fari-piainan’ny vahoaka, fitotonganan’ny renivohitra, ny fahapotehan-dàlana manerana ny Nosy,… Nitrosana vola tsy tokoa tsy forohana mahatratra hatrany amin’ny 153 tapitrisa euros na 700 miliara Ar eo ho eo amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy. Amin’ny fomba ahoana moa izany no hihenan’ny fitohanan’ny fiara amin’ny alalan’ny teleferika ? Tena io ve no laharam-pahamehana sa tokony ho tany amin’ny zavatra mamorona harena sy hahafahana mamokatra ho an’ny tombotsoam-bahoaka kokoa no natao ? Hihena ve ny fiara miasa mandeha ety ambany ? Io ve ny mainka sa fanajariana ny tanàn-dehibe ho tena mahate honina, madio, milamina, misy famoronan’asan,… Lazaina fa natao ho an’ny rehetra, ka manana fahefana hitaingina teleferika amin’ny sarany 3000 na 4000Ar isaky ny mitaingina ve ny rehetra ? Raha toa 8000Ar isan’andro dia 40 000Ar ao anatin’ny 5 andro iasana isan-kerinandro, ary 160 000 isam-bolana ka tena zakan’ny fari-piainan’ny Malagasy ve ? Saran-dàlana 600Ar amin’ny taksibe aza anefa tena mampikolay ny rehetra. Ny manan-katao izany hitiritirina eny ambony lingilingy hitazana ny fahantram-bahoaka, ary ny madinika hitazana avy aty ambany. Hamaha ny olan’ny mponina tokoa ve raha tarafina amin’ny lalan-jotra halehany sa ho ana ampahan’olona na ampahan-tanana vitsivitsy ihany ? Mbola resaka hafa ihany koa ny resaka angovo sy herinaratra mampiodina azy io, fa hatreto aloha izany dia ny an’ny Jirama no hampiodinana azy. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana no hanaovana ny sehoseho amin’ity « Lingilingy » ity ka haharesy lahatra ny olona hifidy ny volomboasary sa vao mainka hampihen-danja ny mpitondra ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2025

nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,

Card image cap
25-avril-2025

Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay

Card image cap
25-avril-2025

Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady

Card image cap
25-avril-2025

Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron

Card image cap
25-avril-2025

Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina

Card image cap
24-avril-2025

Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny

Card image cap