airtel

Politique

12-juin-2024

Fanesorana ireo mpiambina an-dRavalo

« Tompon’andraikitra ny fitondrana raha voakitikitika ny aiko »

Sample post image

Manana zo hanana mpiambina 12 i Marc Ravalomanana amin’ny maha Filoha teo aloha azy,

12-juin-2024

saingy 2 sisa no ao raha ny nambarany satria ny iray nosamborina tamin’ny Hetsika Fotsy, iray nosamborina tamin’ilay hetsika tany Antsirabe, ary ny sasany lasa nisotro ronono. Niresaka tamin’ny Praiminisitra ny tenany omaly, saingy ny setriny dia hoe : nandefa tany ny primatiora saingy tsy nekena, raha ny filazan’i Marc Ravalomanana. Marina fa tsy nekeko satria ny aiko no arovana ary mba tokony ho olona fantatro mba afaka hiara-hiasa amiko sy hiaro ny aiko, ka tsy tokony hatao kinanga, hoy ity Filoha teo aloha ity omaly. Niantefa tamin’ny Praiminisitra noho izany ny tenany nilaza fa Lehiben’ny governemanta mahalala tsara ny lalàna ity farany, ary tsy vao izaho aho, hoy izy, no nangataka fa efa taloha, efa tamin’ny andron’ny HVM, na tamin’ny andron-dRatsiraka,… Olona avy amin’izy ireo no alefany aty, ka roa sisa no ao, ary ny tena heviny lalina dia ny mba tsy hahafahako hanao fitsidihana ireo faritra. Fiara tsy misy, mpamily tsy misy, fa dia ilay mpiambina roa ihany no vizana teo, ka nisaorany ireo nambarany fa nanolo-tànana. Fanarahan-dalàna izany matoa ampahatsiahivina sy resahana ary lalàna no milaza fa ny Filoha teo aloha dia manana zo hanana mpiambina, ho izy. Tompon’andraikitra ny fitondram-panjakana raha misy zavatra manjo ahy, mandeha eny an-dalàna sakanana sy halaina sary,… hoy i Marc Ravalomanana. Ny lalàna 2013-001 moa no mamaritra, fa manana zo ho arovana amin’ny alalan’ny fananana mpiambina manokana, ankoatra ireo tombotsoa samihafa sitrahana toy ny trano, fiara,… ny Filoha teo aloha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap