airtel

Politique

02-oct-2023

Fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena

Miantso ny miaramila hijoro ny Antoko Kintana

Sample post image

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

02-oct-2023

ka tsy hanaiky hoentim-bazaha, ary misy ny mifanohitra amin’izany dia ireny efa hitantsika ireny. Isaorana ny kandida 11 izay mijoro fa tsy ekena hoentim-bazaha ny firenena, isaorana ny sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka na SECES, ny administratera sivily, ny firaisamonim-pirenena, ny vahoaka,… izay miaro ny fiandrianam-pirenena”, hoy ny Antoko Kintana tarihin’Atoa Tabera Randriamanantsoa ny sabotsy teo. Nanambara io antoko io sy ny CRN na Komitin’ny Fampihavanam-pirenena izay naorin’ny Profesora Zafy Albert tamin’ny fotoan’androny, fa manohana sy mandrisika an’ireo vondron’ny kandida filoha hiroso amin’ny tolona fa tsy fanekena ny fanomezana ny firenena hoentim-bazaha. “Miantso ny miaramila fa ianareo no mpiaro ny fiandrianam-pirenena, miantso anareo izahay mba hijoro fa tsy ny olo-marina miaro ny fiandrianam-pirenena no sakananareo. Ianareo no tokony ho lohalaharana amin’ny fiarovana an’izany. Miantso ny mpitsara ihany koa, fa ianareo no tokony ho voalohany amin’ny fiarovana izany fiandrianam-pirenena izany, fa tsy tokony hijanona amin’izao”, hoy I Tabera Randriamanantsoa. Ny zava-misy mantsy, hoy izy ireo, dia ny andrim-panjakana asaina miaro ny mpanitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena satria arovan’ny HCC, arovan’ny CENI, arovan’ny governemanta. Tsy manaiky an’izany ny vahoaka, fa tsy maintsy ho resy lahatra, ary tsy maintsy hotsarain’ny tantara ireo mijoro miaro miady ho an’ny vazaha. Izahay dia tsy manaiky ny haha-kandida an’I Andry Rajoelina, ka miantso ny vahoaka hitsangana hiaro ny fiandrianam-pirenena, hijoro fa tsy ekena hoentim-bazaha sy ny Taranaka Gallièni Vaovao ny firenena, hoy Atoa Tabera Randriamanantsoa. Nanentana ny olom-pirenena eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anion oho izany izy ireo. Niantso ireo mpitondra ihany koa tsy hitsoaka any ivelany, fa miara-mahita ny fanombohany sy fiafarany eto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap