tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Politique

Fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana “Tokony hanery ny HCC amin’ny fanalàna ny Filoha”

Mbola tsy nivalona ny pejy momba ny krizin’andrim-panjakana naterak’ilay raharaha fitsipaham-pitokisana ny governemanta natsefotra teny an-tenantenany.

02-mars-2023

Sample post image

Tokony hanery ny HCC amin’ny fanalàna ny Filoham-pirenena amin’ny toerany ny tsy fanajana ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana, izay mametra ny tsy tokony ahazoan’ny Filoham-pirenena mitsabaka amin’ny asa amin’ny antoko na vondrona politika tamin’ny namoriany ny solombavambahoaka IRD teny amin’ny Arena Ivandry ny takarivan’ny 7 desambra 2022”, hoy ny HCDDED (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l'État de Droit) notarihin’ny Filohany Navony Pierre Le Noble. “Ny asan'ny Filohan'ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina aminà asam- panjakana nahavoafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao anatin'ny antoko politika, vondrona politika, na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon'ny fikambanam- pivavahana. Izay rehetra fandikana ireo fepetra voalazan'ity andininy ity, voamarin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia zary ho antony amin'ny tsy fahafahana miasa tanteraka hoan'ny Filohan'ny Repoblika”, hoy moa io andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenena io. Nalefan’ny HCDDED any amin’ny HCC noho izany ny fangatahana fanamarihana ny maha ara-dalàna na tsia (Contrôle de constitutionnalité) niainga avy amin’ny fangatahana na “requite” nataon’ny depiote miisa 28 tamin’ny 09 febroary. Mbola nampiarahan’ny HCDDED fangatahana fanamarinana ny maha ara-dalàna na tsia ny dingana nanapahana ny fitsipaham-pitokisan’ny antenimiera ny governemanta, tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’ireo birao maharitry ny antenimierampirenena ny 8 desambra 2022. Tsy tahaka ilay taratasy tamin’ny 15 desambra 2022 nangataka “avis” izay tsy noraisina fa hoe: tsy manana sata Filohana andrim-panjakana sy tsy vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Filohan’ny HCDDED fa hafa mihitsy.
“TSY TONGA AMIN’IZAO RAHA NOHAJAINA NY LALÀNA”
“Tsy hoe: izahay akory no be saina satria mety handika vilana ny sasany hoe efa nisy teo nangataka “avis” fa amin’ity dia hoe: manara-dalàna ve isika sa ahoana ny fahitanareo azy ka nalefa any amin’ny HCC izay. Izahay tsy manantena hoe: “Eny” na “Tsia” fa ny anjaranay dia nandefa ilay izy satria izay ny fangatahan’ny depiote ary tsy azo tazonina na hovaliana hoe: ajanony any izany”, hoy Atoa Navony Pierre Le Noble Filohan’ny HCDDED. Notsipihiny kosa fa tsy tonga amin’izao ny HCDDED raha nohajaina ny dingana ara-demokratika nataon’ny depiote tamin’ny fitsipaham-pitokisana. “Dingana demokratika, anjaran’ny depiote ny mahafantatra sy manara-maso ny mpanatanteraka dia ny governemanta izany hoe: mahavita ny asany ve sa tsia ka tsy tokony ho olona hafa no hiditra hampitsahatra iza dingana ara-demokratika izay”, hoy Atoa Navony Pierre Le Noble. Azo natao, hoy izy, ny nampitsahatra azy hoe mba nomena toromarika ilay depiote tsy hifidy an’io, dia nijanona teo, ary tsy tonga amin’izao raha nanaraka an’izay. Hampiova ny setriny “tsy azo raisina” na “irrecevable” fanaon’ny HCC ve ny zava-misy? Hanao ahoana ihany koa ny ho Fihetsiky ny etsy Tsimbazaza? Mifankaiza amin’ny 2018 nitakian’ny depiote 73 ny fanalana ny Filoha Rajaonarimampianina izao?
Toky R


 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fidinana an-dalambe teny amin’ny 13 may
06-juin-2023

Hotsaraina afaka 10 andro i Nambinina sy Doris

Card image cap
Olona namono tena ho an-dRajoelina Misy ny any am-ponja, ao ireo sosotra noho ny ankilabao
06-juin-2023

Henjakenjana ny resaka fanagadrana politika tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, na io aza no isan’ny nanenjehana sy natao fitaovana politika tamin’ny 2009 nentina nanonganana ny Fanjakana Ravalomanana.

Card image cap
Fihaonan’i Rajoelina sy Macron Sao dia mba hanao «Accord de coopération » vaovao ?
06-juin-2023

Ny 7-9 jona no voalazan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence, fa handehanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina any Frantsa hihaona amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Card image cap
Fampiharana demokrasia Tena mbola lavitry ny fenitra i Madagasikara
06-juin-2023

Olona manodidina ny 500.000 isa no nidina an-dalam-be ny alahady teo tany Pologne, firenena iray any eoropa atsinanana nanohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana any an-toerana.

Card image cap
Ninie Donia Naverina am-ponja taorian’ny fitsidihan-dry Siteny
06-juin-2023

Tsy niandry ela fa naverina any am-ponja Rtoa Bezara Eliane Virginie na Ninie Donia 48 ora teo taorian’ny

Card image cap
Eliace Ralaiarimanana «Ny haizina mbola hazava»
06-juin-2023

Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana.

Voir plus