entona mandatsa-dranomaso sy fandratrana tamin’ny endriny maro samihafa. Nisy ireo naratra teo amin'ny andaninysy ny ankilany ka 04 no ireo avy amin'ny mpitandro filaminana, hoy ny tatitry ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Christian sy ireo avy amin’ny mpitandro filaminana. Olona tanam-polo kanefa tahaka ireny misambotra jiolahy ireny, miaraka amin’ny vono sy daroka, ny ompa sy teny ratsy variraraka,… Miezaka manamaivana ny zava-nisy ny Fanjakana teo anatrehan’ny habibiana sy ny herisetra ka nambara fa fitaovana mahazatra na « arme conventionnelle » no nampiasaina, ka nilazana fa natao ny ezaka rehetra mba hifehezana ny toe-draharaha ka tsy ho tonga amin'ny fampiasam-basy sy bala tena izy na koa fitaovana mahery vaika na « arme létale » hoy ny Prefen’Antananarivo, izay milaza fa tokony hifantoka amin’ny fifidianana ny rehetra. Raha ny vaovao azo hatramin’ny omaly hariva mikasika ireo olona nosamborina moa, dia efa hatramin’ny sabotsy teo no nisy ireo mpisolovava avy amin’ny Firaisankinan’ny kandida miahy sy miaro azy ireo, izay notazonina teny Fiadanana. Nanatrika hatrany ny fakana am-bavany azy ireo ny mpisolovava. Tontosa soa aman-tsara ny fihainona ny olona voasambotra omaly. Taorin’ny fakana am-bavany, nitondra fanazavana tamin'ireo solontenan'ny fianakaviana ny mpisolovava mahakasika ny tohin'ny raharaha. Raha ny tokony ho izy dia ho alefa anio eny Anosy ireo antotan-taratasin'ady. Anio maraina no tena ho fantatra ny momban'izany. Mbola notazonina eny Fiadanana izy ireo na dia hita aza fa tsy ampy vesatra loatra ny antontantaratasin'ady, hoy ny tatitra vonjimaika avy amin’ny mpisolovava. Isan’ny nanasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo politika sy sivily i Madagasikara. Ny lalàmpanorenana no mamaritra ihany koa ny fahalalahana maneho hevitra. Raha miresaka kianjan’ny 13 may, dia manan-tantara amin’ny tolom-bahoaka io, ka izay no ezahina manao ny sakana rehetra tsy hijerena izay zon’olombelona sy fahafahan’ny tsirairay. Miha mahery vaika ny herin’ny jadona sy ny fanitsakitsahana ny demokrasia fa tsy araka ny noventesina tamin’ny 2009. Na ho ela na ho haingana anefa tsy maintsy ho resy ny jadona, ary tsy hahomby mandrakariva ny setrasetra, raha tarafina tamin’ny tantara niainga tamin’ny raharaha 1972, 1991, 2002, 2009, 2018,…
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,