airtel

Politique

19-juil-2023

Politique

Fanjakana lany bala Kolontsain’ny tehatehaka sy serasera sisa

Sample post image

Naneho ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tao amin’ny tampajotran-tserasera omaly 18 jolay, fa mahatratra 1 tapitrisa ireo mpanaraka azy amin’ny Facebook. “

19-juil-2023

Mankasitraka am-pitiavana anareo Malagasy namako rehetra. Hiray fo, hiray saina hatrany isika ary mino sy matoky fa tsy maintsy ho tafitantsika ity Madagasikara mamintsika ity satria ao anatintsika ny finiavana sy ny fitiavan-tanindrazana. Ato am-poko ianareo!”, hoy I Andry Rajoelina. Nisy ihany koa ny serasera nataon’ny mpomba ny fitondrana fa nahatratra 22000 ny nanaraka ilay fandaharany ny 16 jolay jolay teo, raha toa ka 14000 teo ny an-dRtoa Fanirisoa Ernaivo. Ankilany anefa misy ihany ny serasera mifanipaka, nandritra iny fandaharana iny mantsy no nilazany fa “tsy ny olona manakiana anao 1000 na 1200 amin’ny Facebook no izy, sondage tsy izy ny Facebook, fa ny sondage teny izy ny eny an-kianja,... Tsy izay olona mitabataba vitsivitsy na miteny mafy no manana ny rariny fa ny olona rehetra dia mahita ny fampandrosoana. Ekena fa mbola tsy afaka ao anaty fahantrana fa izany no mampiezaka. Ny vahoaka Malagasy rehetra ihany no afaka mametra ny asa vita sy natao,...”, hoy i Andry Rajoelina. Mbola nampiany aza hoe : “isika eto an-drenivohitra no mety tsy mahita fa ny any ambanivolo mahatsapa tsara fa mahazo fanampiana sy tosika, ary mankany Fort Dauphin sy Ambovombe aho faly ny olona hoe : merci prezda!”. Tsy nivalona akory ny herinandro, dia lasa miova ny firesaka, fa be mpanaraka amin’ny tambajotran-tserasera, be mpijery, be mpanohana,… Firy isan-jaton’ireo ambara fa mpanaraka azy na nijery nivantana ilay fandaharana tokoa moa no resy lahatra sy tena manohana azy? Ny tena hita any amin’ireny pejin’ny Fanjakana ireny anefa, saika kiana no betsaka. Rehefa zohiana, miseho hatrany ny kolontsaina tia sehoseho sy mitady doka ka izay ahafahana manao serasera hoenti-milaza fa be mpanohana sy mpanaraka, ary tena mamim-bahoaka no zava-dehibe. Niampy ny kolontsain’ny horakoraka sy tehaka ka ny namoriana olona hanatrika dia hitehaka sy hihoraka. Fijery iray sy olona iray no tiana hasongadina, ka izay manakiana anaty tambajotran-tserasera na sehatra hafa lazaina fa vitsy an’isa. Eny anefa sisa no isan’ny sehatra azo lazaina ho somary mbola malalaka, eny fa nisy efa nisy aza ny fanagadrana mpikirakira Facebook. Raha andeha hiteny amin’ny haino aman-jery, vitsy no afaka manao izany, ny haino aman-jery aza tsy ny rehetra no afaka mandeha amin’ireny tambajotran’ny zanabolana ireny, ary ny efa tao aza nisy notapahan’ny Fanjakana. Raha handeha haneho hevitra an-dàlambe, tonga dia anya m-ponja ny ilan-tongotra. Lazaina fa vitsy an’isa ny eny amin’ny Facebook, kanefa ny fomba fiasa sy fanapahan-kevitra aza matetika miainga amin’io tambajotra io.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap