Io no isan’ny fototra iorenana sy hanorenana Firenena ankoatra ny fanabeazana. Mbola lavitry ny kitay ny afo ho an’i Madagasikara, miha mihemotra ny fanajana lalàna. Na ny mpitondra antsika ankehitriny aza niainga tamin’ny rà mandriaka ny taona 2009, lany tamin’ny tsy fanajana lalàna izay nosarontsaronana toy ny resaka zom-pirenena vahiny nampiady hevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 farany teo, betsaka ny endrika fandikana lalàmpanorenana, ny resaka kolikoly ara-pifidianana tamin’ny endriny maro, ny amboletra sy herisetra,… Niniana nikipiana sy nekena tsy fidiny ireny noho ny fandrarangana hery, fandrahonana politika samihafa, fampitenenana ny herin’ny vola sy ny herin’ny basy,… Tsy misy arofanina intsony ny mpitondra fa manao izany danin’ny kibony amin’ny fanapahan-kevitra sy fitantanana firenena tsy mifanaraka amin’ny filam-bahoaka, famarotan-tanindrazana amin’ny endriny mivantana na ankolaka, kolikoly marolafy eny amin’ny sehatra ara-panjakana, trafikana harem-pirenena samihafa,… Lasa manaraka an’izany ny fiaianam-piarahamonina, samy manao izay danin’ny kibony, mifamotika sy mifampisintona midina, manjaka ny sehatra tsy ara-dalàna sy fandikan-dalàna satria miainga avy any ambony ny ohatra ratsy, manjaka ny herisetra sy tsy fandriampahalemana, manjaka ny kolikoly amin’ny endriny maro,… Zary lasa miha mikorosy fahana sy mihemotra hatrany ny fiainam-bahoaka, miha milentika ny toekarena sy ny sosialy, mihalalina ny elanelan’ny mpitondra sy ny entina,… Miha mitombo andro aman’alina ny faharatsiana ara-pitantanana satria mihevi-tena ho tsy refesi-mandidy sy tsy maty manota ny mpitondra. Tsy te hahalala izay fiainam-bahoaka any intsony fa hifaninanana ny fangoronan-karena, hifanarahana ny fifampiarovana amin’ny ratsy,… Tsy tena mihodina araka ny tokony ho izy ny Fanjakana, ka ny Firenena miha mahantra fa ny mpitondra miha manan-karena, ny kitapom-bolam-panjakana manify tsy ahafahana tena miasa hiteraka fampandrosoana,… Ny mpiara-miombon’antoka ara-toekerana sy ara-bola anefa tsy matoky firy intsony, ka ny fampanantenana ambony latabatra no betsaka fa ny asa miteraka vokatra hiviny. Ny fitantanana ny harena eto izay tokony havadika ho fanoitra ara-toekerana anefa tsy hita taratra, fa olom-bitsy aza no migalabona amin’izany. Tena mila manova sy mitady vahaolana fa zary lasa ataon’ny olona fakana akora fototra sisa i Madagasikara !
HO TAPITRA HATREO !
« Efa ela aho no niteny, fa tapi-dalakaleha ny fitondrana Rajoelina. Efa mikatona ny varavarana. Hatramin'izay fitondrana nifandimby, nanomboka ny Repoblika voalohany, dia nalaina tamin-kery hatrany ny fahefana, rà mandriaka, aina nafoy, narahina fotsiny saritsarim-pifidianana, feno hosoka sy hala-bato ary fampiasam-bola, anamafisana ny toerana, sy ilazana fa demokratika, ary mamim-bahoaka ny mpitondra, hoy Atoa Patrick Raharimanana mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny. Nanana fanantenana ny vahoaka tamin'ny taona 2009, ka nanohana ny hetsika notarihan'i Andry Rajoelina. Tsy naharitra ela, dia sosoa voatapo-drano ny olona, kivy ary diso fanantenana, satria tsy niala tamin'ilay fanao maka fahefana amin-kery sy rà mandriaka, narahina fifidianana feno hosoka, amikirana amin'ny fahefana. Namela azy hanao izay vitany irery, sy ny namany mpandraharaha teo ny vahoaka maro,... Nihemotra faran'ny gisitra maneran-tany anefa Madagasikara, nahantra ny Malagasy. Tsy manana vahaolana intsony ny fitondrana Rajoelina, dia ny asa soa fanapena-maso, fizarana vola, vary, menaka, riz cantonais sisa no atao. Nikatona, na miala aina avokoa ireo orinasa vaventy, toy ny Jirama, Air Madagasikara, Secren... Tsy misy asa famokarana, tsy misy politika fampitomboana hari-karena, ny asa fitrandrahana harena ambony, ambanin'ny tany, an-dranomasina, saika lasan'ny vahiny, ankoatran'ny ampihimamba ataon'ireo mpandraharaha akaiky fitondrana. Hiditra 20 taona amin'ny 2028, fepotoana farany itondran'i Filoha Andry Rajoelina, ny fotoana nitondrany, anisan'ny lava indrindra mitaha amin'ny fitondran'i Amiraly Didier Ratsiraka, izay nolazainy fa fitaratra ho azy,... 2028 anefa ny rindrina farany hiantsonany, satria mifanehitra amin'ny varavaramby mihidy izy eo. Tsy misy filoham-pirenena aty Afrika, nahavita nandingana ny fanovana Lalampanorenana, nidirana 3ème mandat izany, ary tsy hisy Malagasy hanaiky izany intsony,… hoy hatrany ny ampahan’ny fanehoan-kevitr’i Patrick Raharimanana.
Toky R
Tsy mahantra fa ampahantraina hatramin’izao ny malagasy, hoy ny mpikatroka eo
Tapa-taona aty aorian’ny fanapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny septambra 2024
Fanamby amin’ny fahantrana ity fa tsy fanamby eo amin’ny isika samy isika, hoy ny
Politika ivelan’ny firenena no atao hoe diplaomasia, hoy ny antoko politika
Tena manao izay ho afany ireo mpiaro ny filoham-pirenena sy mpiaro izao fitondram-panjakana
Tsy miova ny fomba fijerin’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo, dia ny famerenana »,