fanovana eto amin’ny Firenena Malagasy. Omaly, nandray ny mpandraharaha emirati, Mohamed Alabbar, Filoha Mpanorina ny Emaar Group teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Ity mpandraharaha ity izay nambara fa fanta-daza maneran-tany amin’ireo fotodrafitrasa goavana naoriny izay manamarika an’i Dubai tahaka ny Burj Khalifa na koa ny Dubaï Mall sy ny Dubai Marina. Mpampiasa vola amin'ny sehatra maro ihany koa ny Emaar Group ary anisan’izany ny trano fandraisam-bahiny goavana "5 étoiles" sy Resorts maneran-tany. Araka ny seraseram-panjakana, naneho ny fahavononany hiara-dia amin'i Madagasikara amin'ny fametrahana fotodrafitrasa amin’ny sehatra maro ity mpandraharaha ity, ary izany no nodinihina niaraka tamin’ireo minisitra isan-tokony. Anisan’izany ny fananganana toerana fandraisam-bahiny sy ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny fanamboarana lalana, ny fampivoarana ny sehatry ny angovo ary ny indostria mpanodina vokatra na ny "agro-alimentaire",... Tsy vao sambany tamin’ny seraseram-panjakana mikasika ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny samihafa na ny arabo manokana ny tahaka izao. Anisan’ny efa nanaovana tahaka izao ny Vondrona Al Jabber izay nambara fa tany amin’ny volana mey 2022, fa hiara-dàlana amin’i Madagasikara amin’ny fananganana ny Tetikasa Tanamasoandro. Nanaovana serasera ny fihaonan-dRajoelina tamin’ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Al Jabber dia Obaid Khaleefa Jaber Al Murri. Mby aiza izany izao ? Taty aoriana noresahana indray fa ny Tiorka no vonona hiaraha-hiasa amin’ny Tanamasoandro fa mandrak’ity ny androany tsy hita izay vokany. Betsaka ireo serasera efa nandokafana vahiny fa asa hanao ahoana indray amin’ity indray mitoraka ity ? Ny vahiny no heverin’ny fitondrana fa ho fanalahidin’ny fanatanterahana ireo karazana fampanantenana samihafa ka asa inona no ho tambiny amin’io fiantsoana arabo io ? Fanomezana tany an-jatony hekitara ? Fanamorana ny fitrandrahana harena ? Ny sehatra rehetra toa iantsoana vahiny avokoa fa tsy homena lanja sy atosika ny Malagasy, hany ka ny olan’ny delestazy aza iandrandrana sinoa sy Afrikanina hanao tetikasa momba ny angovo eto. Eny fa hatramin’ny fahaleovantena ara-tsakafo aza ny sinoa amin’ny alalan’ny vary safiotra no andraindrain’ny Fanjakana Rajoelina fa fa ny fikarohana Malagasy alefa maka sisiny ? Tena hanampy antsika no tanjon’ireny sa handraharaha sy hibizina hanao izay hahazoana tombony ? Marina fa mila misokatra isika fa tsy afaka hiolonolona eto fa moa tena hiantehitra amin’ireo ve vao hahavita zavatra ? Aiza ilay fitiavan-tanindrazana ara-toekerana na « patriotisme économique » ?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny