Vao miresaka ny Fitondrana volomboasary, dia ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 no fototra niaingany, ary tsy voambolana miasa amin’ny olona nanongam-panjakana izany demokrasia, fanjakana tsara tantana sy ny mitovitovy amin’izany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena sady mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo iray. Fiadanana no nampanantenaina ny vahoaka saingy fahapotehana tsy hita noanoa no nahazo ny firenena taorian’ny 2009. Niezaka nanarina sy namerina ny fitokisana iraisam-pirenena ny Fanjakana Rajaonarimampianina izay notrongisina ihany koa tamin’ny 2018, saingy izao indray ny vokatra 5 taona latsaka aty aoriana. Lasa mpanome lesona amin’ny resaka fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika ilay filoha ankehitriny, izay efa nilaza fa mila izany in’efatra misesy eo raha tiana handroso ny firenena, ka toa hiniany fafana ny tantara fa fanonganam-panjakana niteraka sazy iraisam-pirenena ho an’I Madagasikara no nahatongavany teo. Nandeha ny fifidianana 2018, nampanahy ny mety ho fiomanana indray tamin’ny fampiasan-kery raha raisina amin’ilay ahiahy ho nisy fampidirana fitaovam-piadiana nialohan’ny fifidianana, izay nanaovan’ny antenimierandoholona tamin’izany fanadihadiana parlemantera. Nilefitra ny kandida Ravalomanana izay efa naongana tamin’ny 2009, mba hisorohana ny ra mandriaka. Mbola endrika don-tandroka tahaka izany no toa tiana hatao amin’izao. Vao miandoha indray ny taona 2023 izay taom-pifidianana raha ny lojika, dia efa mafampana ny toe-draharaha politika eto amin’ny tany sy ny firenena. Manahy ny mpanohitra, fa misy ny fikatsahana hanemotra ny fifidianana hahafahana mihinana sy mangorona ao anaty Fanjakana. Toa efa misy don-tandroka avy amin’ny fitondrana, ary taratr’izany ny kabarin’ny Filoham-pirenena ny 31 desambra 2022 lasa teo, fa tsy mila korontana na avy ato anatiny na avy any any ivelany ny firenena. Fa iza no manakorontana? Moa tsy ny samy mpitondra no mifamely raha tarafina amin’ny lonilonin’ny governemanta sy ny depiote?
TSY HANAIKY HO RESY MORA FOANA…
Raha handeha ny fifidianana, ahiana ny kajy politika hibodoana fahefana, mampanahy ny fampiasan-kery satria karazan’ny kabary an-tendromolotra fotsiny izany demokrasia hanaiky resy raha resy mora izany. Ny pimaso sy fanambazana ny tafika moa efa iaraha-mahita, ary nisy ireny fanambarana nataon’ny begalona ireny fa ao an-damosin’ny Filoha Rajoelina. Efa taratry ny herisetra ireny sakantsakana politika samihafa natao tamin’ny mpanohitra ireny, ary ahiana ho mafy kokoa noho izany amin’ny tena fifidianana. Ahiana ny fampiasan-kery sy sakoroka hijanonana eo amin’ny fitondrana satria mbola miantehitra mafy amin’ny herin’ny basy sy ny vola. Ahiana tsy hanaiky iala eo raha tsy efa mahatsapa fa resy tsy afa-mikofoka!
Toky R
Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy
Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna
Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,
Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio
Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may
Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)