Nambara fa tsisy sakana intsony ny fahafahana manomboka ny asa ankehitriny, satria efa nankatoavin'ny banky « Société Générale» afak’omaly talata 31 janoary 2023 ny famoahana ny ampaham-bola voalohany (premier tirage) hananganana ny Zotra volomboasary (Ligne) mampitohy an'Anosy, Soarano, Ankorondrano, Ivandry, Analamahitsy ary Ambatobe, izay efa nanaovana didim-panjakana manambara fa ho an'ny tombontsoam-bahoaka ny tetikasa tamin'ny 11 mai 2022, hoy ny tatitra. Ny orinasa POMA sy ny COLAS no manao ny asa, ka nambara fa efa vita ary efa tonga eto Madagasikara ankehitriny ireo fitaovana lehibe tahaka ny andrimby lehibe (pylônes) sy ny fototra hananganana ny tobim-piantsonana (ancrages des gares). Efa vita 100% any ivelany kosa ary efa miandry ny fandefasana azy eto Madagasikara ny kojakoja sy ny fampitaovana hafa rehetra ilaina amin'ny tobim- piantsonana na ny gara sy ny andrimby miisa 7 hatsangana eo anelanelan'ny fiantsonana Anosy sy Soarano. Andalam-pamitana ny famokarana ireo “cabines” hitondra ny mpandeha, ny milina hampiodina ny teleferika (motorisation) ary ny tariby hisintona ny fitaterana (câbles), izay hotaterina aty Madagasikara ihany koa raha vantany vao vita. Efa lasa kosa ny kaomandin'ireo fampitaovana rehetra ilaina amin'ny ampahany Soarano- Ankorondrano ARTEC sy Ankorondrano ARTEC-Ambatobe, ho hatrany ny tatitra. Raha ny asa efa manomboka eto Antananarivo dia ahitana ny fanomanana ny toerana hananganana ny tobim-piantsonana lehibe etsy Anosy tahaka ny fanapahana ny hazo, famindrana ny lalan'ireo tambajotrana herinaratra sy fifandraisan-davitra sy ny fananganana ny fototry ny trano izay ilaina eny an-toerana amin'ny maha-toby fiantsonana azy. Eo koa ny fanomanana ny fananganana ny andrimby na pylones eo anelanelan'Anosy sy Soarano ary ny famefena ny tobim-piantsonana eo Soarano izay efa iarahana miasa amin'ny Kaominina Antananarivo ny fandrindrana ny mety ho fanembatsembanana ateraky ny fanaovana ny asa ankehitriny. Tsara moa no mampahatsiahy fa vao tsy ela no nilaza ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao, fa hovitaina mialohan’ny lalaon’ny Nosy 2023 ny teleferika. 151 tapitrisa dolara moa ny teti-bidin’io. Isan’ny nanakiana azy ity mafy ny depioten’Ikongo izay IRD fa ny làlana mampifandray ireo distrika manerana ny Nosy no tokony ho laharam-pahamehana. Vao ny 28 janoary 2023 teo no nilaza ny Filoha fa hajanona aloha ireo fotodrafitrasa fa hitodika amin’ny sosialim-bahoaka!!!?
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,