ary manohitra izay hetsika rehetra manohintohina ireo ezaka rehetra fikatsahana ny fangaraharana sy ny tamberin'andraikitra ary ny fahalalahana maneho hevitra. Fampitandremana goavana ho an’ny Fitondram-panjakana iny, fa mikitika ny tsy fikitika eo anatrehan’ny fanenjehana ireo mpitarika ny Transparency International nahasahy namaky bantsilana ny ahiahina kolikoly goavana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Misy lanjany ara-diplaomatika sy ara-politika goavana ireny, ary midika fa manara-maso sy mijery akaiky ny zava-misy eto ny firenen-dehibe, izay manana sampam-pitsikolovana, ary mampiasa olona eto. Fahita eto ny hoe: izay olona manelingelina ny fitondrana na ny mpomba ny fitondrana, dia alefa ampirimina any am-ponja. Tsy manameloka na iza na iza na miaro na iza na iza, fa firifiry ny raharaha kolikoly na ahiahy goavana teto no mba nisy nokitihina sy nohenjehina izany? Misy anefa zavatra hafa vetivety kely dia tonga mandeha ny famotorana, fitsarana, fanagadrana,… Toa endrika mbola maneho hatrany, fa misy manao tsindry sy te hanao fitaovana ny fitsarana hatrany, ka raha vao dosie mikasika olona ambony ao anaty fitondrana na mpomba ny fitondrana dia alevina ny dosie, fa rehefa misy olona tiana halentika dia vetivety io dia ao anatin’ny iray na roa andro dia any Antanimora. Tonga amin’ilay hoe: manivana moka fa mitelina rameva ny Fitondrana, ka izay tiana hopehana sy gadraina dia mandeha ho azy, fa ireo trondro vaventy be afera ao anaty Fitondrana migalabona sy tsy manan-tahotra. Tratran’izany ry Mahery Lanto Manandafy rehefa nanao ampamoaka fa misy vazaha mamatsy bala ny dahalo. Ny fitoriana noho ny fanalam-baraka haingana be dia nampigadra, fa ny fitoriany mikasika ny hoe: bala famonoana ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka Malagasy tsy nisy tohiny. Haingana be ny fanagadrana an-dry Ninie Donie, Afakandro Christian, Stanley Ramarivelo,… satria nanakiana fitondrana, fa ny raharaha hazo sarobidy mahakasika an-dry Depiote Lanto Rakotomanga, ny raharaha volamena 36kg, ny bonbons sucettes,… nanjavona! Efa nezahina nenjehina sy nopotehina ihany koa I Ravo Nambinina Ramasomanana nanao ampamoaka momba ny kolikoly goavana tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, saingy tsy vita ny nanagadra azy satria voalaza fa matevina ny dosie teo am-pelantanany, ary tongany teny am-pelantan’ny sehatra iraisam-pirenena. Toa efa mitady handeha ho azy ilay fandetehana izay manelingelina, kinanjo toa tonga any amin’ilay hoe: mikitikitika ny tsy fikitika, mikitikitika vodin-tsoavaly ihany ny mpitondra sy ny mpomba azy izay miezaka hatrany ny hanao fitaovana ny fitsarana hiarovan-tena sy hamotehana ny hafa. Manomboka mitsimbadika tsikelikely anefa ny rasa. Mora ny mamorona vesatra handetehana ny hafa fa asa hanao ahoana ny amin’ity iray ity ?
Toky R
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny