airtel

Politique

19-sept-2023

Fanohanana an-dRajoelina

Misamboaravoara ny RPSD…

Sample post image

Nanambara ny fanohanany an’Atoa Andry Rajoelina ny Antoko RPSD izay notarihin’Atoa Marson Evariste omaly tetsy amin’ny Motel Anosy.

19-sept-2023

Ity farany izay naneho fa efa hatramin’ny filatsahan-dRajoelina ho ben’ny tanàna no nanohana, ary isan’ireo lohandohan’ny mpisorona teo anivon’ny fanoherana tamin’ny Fitondrana Ravalomanana sy nanampy an-dRajoelina tamin’ny 2009. Ny taona 2018, dia nanohana an’I Andry Rajoelina ny RPSD satria nahita ilay boky sy programany, izay marina hoe: sahala amin’ny revirevy, fa aminay mpanao politika dia ohatran’ny manonofy ihany amin’ny fitondrana ny tany fanjakana ka ny fanatanterahana an’iny no ezahana. Ny fahitanay dia niezaka izy tamin’ny fanatanterahana ny programany, misy ny efa tanteraka kanefa mbola betsaka ny hataony, ary mbola hilatsaka izy ka mba hahafahany manatanteraka an’io dia hanohana azy izahay. Vononona hanampy an’Atoa Andry Rajoelina, hoy Atoa Marson Evariste Filohan’ny RPSD nanomboka ny taona 1993, ary Filoham-boninahitra ankehitriny. Momba ny raharaha anatin’ny RPSD, « Zanakay izy iny, izaho no nametraka azy, saika hatolotra ny vahoaka RPSD amin’ny Kongresy, kanefa ny zavatra nampalahelo ahy, tsy niera tamiko akory izy nanao fandaharana tamin’ny fahitalavitra nilaza tao hoe: “izahay mpanohitra”, ka mpanohitra taiza izahay? ary izy no Filoha mpisolo toerana vonjimaikan’ny RPSD ka mihevitra fa mpitondra tenin’ny RPSD ka tsy mitondra izany izy, hoy I Marson Evariste izay misy mpitantana RPSD kianiny. Naneho fa niantso olona maro izy nialohan’io fanambarany omaly io. Namoaka fiteny mihitsy aza hoe: efa nisy an’izany RPSD Vaovao, ka mbola afaka manao RPSD Vaovao Bis ihany koa ! Nisy avy hatrany ny setriny voarainay avy amin’ny Sekretera Jeneraly Lefitry ny RPSD any amin’ny Faritanin’Antsiranana Atoa JAONY Justeur François, naneho hoe : «Ray aman-dReny be Atoa Marson Evariste ka tokony hijanona tanteraka amin’izay momba ny raharaha Politika RPSD satria dia 20 teo ho eo no nitantanany, nankasitrahanay tanteraka tamin’ny fomba tsy misorona miteny raha misy zavatra tsy mety ataon'ny mpitondra ka namindra ny fahefana tamin'Atoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain na Bébain izy ho Filoha Nasionaly ny RPSD mandram-pahatonga ny Kongresy nasionaly manaraka». « Efa hatrany amin’ny taona 1992 aho no mpikambana PSDS, mbola tsy niova Antoko, manaja ny sata mifehy ny RPSD ny tenako sy ny mpikambana rehetra aty avaratra. Efa henonay ny feo avy amin’ny Filoha Nasionaly (Bébain) fa hisy kongresy nasionaly ataon'ny RPSD aorian'ny fivoahan'ny anaran'ireo Kandida mahafeno ny fepetra avy amin’ny HCC hisafidianana izay anarana ho tohanana amin’ny Fifidianana Filoham-pirenena, ary ny rafitra ara-dalana ato amin’ny Antoko raha hisy fanapahan-kevitra dia na amin’ny Kongresy Nasionaly, na Filankevi-pirenena, na fanapahan’ny Birao politika, hoy ny fanazavan’Atoa JAONY Justeur François. Tiako, hoy izy, ny manindry sy manamarina eto fa ny Filoha Nasionalin’ny RPSD irery ihany no manana fahefana feno hiantso ireo rafitra telo ireo koa miantso ny Filoha Nasionalin’ny RPSD Atoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain izahay mpikambana aty Avaratra mba hiteny sy handray andraikitra mba tsy hisy Fikorontanana ny Antoko.

“RAJOELINA NO TENA NAMOTIKA NY FIAINANAY ATY AVARATRA”
Nahitsy Atoa JAONY Justeur François nilaza fa manohitra tanteraka ny fanohanana an’i Andry Rajoelina. « Tena tsy mety aminay iny resaka ataony iny satria tena nandentika ny fiainanay raha ny aty SAVA i Andry Rajoelina. Noho ny fanimbany sy fidirany amin’ny seha-pihariana lavanila ka nahalatsaka im-polo heny ny vidiny, indrindra fa mandrak’izao dia tsy mbola misy mividy ny lavanila. Aty aminay, isan’ny tena namotika ny firenena I Andry Rajoelina, indrindra fa aty amin’ny Faritra Avaratra, ka tsy miombon-kevitra amin’io izahay », hoy ity Sekretera Jeneraly lefitry ny RPSD avy amin’ny Faritanin’Antsiranana ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap